1{[A Psalm] of David.} Bless Jehovah, O my soul; and all that is within me, [bless] his holy name!
1[Fiderana an'Andriamanitra noho ny fahatsarany sy ny famindram-pony] Nataon'i Davida Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.
2Bless Jehovah, O my soul, and forget not all his benefits:
2Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,
3Who forgiveth all thine iniquities, who healeth all thy diseases;
3Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra,
4Who redeemeth thy life from the pit, who crowneth thee with loving-kindness and tender mercies;
4Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao,
5Who satisfieth thine old age with good [things]; thy youth is renewed like the eagle's.
5Izay mahavoky soa ny vavanao; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an'ny voromahery.[Na: fanahinao, na fahanteranao][Na: ho toy ny voromahery]
6Jehovah executeth righteousness and justice for all that are oppressed.
6Jehovah manao fahamarinana Sy fitsarana amin'izay rehetra ampahorina.
7He made known his ways unto Moses, his acts unto the children of Israel.
7Efa nampahafantatra an'i Mosesy ny lalan-kalehany Izy; Ny Zanak'Isiraely nampahafantariny ny asany.
8Jehovah is merciful and gracious, slow to anger, and abundant in loving-kindness.
8Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po.
9He will not always chide, neither will he keep [his anger] for ever.
9Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, Na mitahiry fahatezerana mandrakizay.
10He hath not dealt with us according to our sins, nor rewarded us according to our iniquities.
10Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, Na mamaly antsika araka ny helotsika.
11For as the heavens are high above the earth, so great is his loving-kindness toward them that fear him.
11Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra ambonin'ny tany No haben'ny famindram-pony amin'izay matahotra Azy.
12As far as the east is from the west, so far hath he removed our transgressions from us.
12Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.
13As a father pitieth [his] children, so Jehovah pitieth them that fear him.
13Tahaka ny fiantràn'ny ray ny zanany No fiantran'i Jehovah izay matahotra Azy;
14For himself knoweth our frame; he remembereth that we are dust.
14Fa Izy mahalala ny toetsika Ka mahatsiaro fa vovoka isika.
15As for man, his days are as grass; as a flower of the field, so he flourisheth:
15Tahaka ny ahitra ny andron'ny zanak'olombelona; Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny,
16For the wind passeth over it, and it is gone, and the place thereof knoweth it no more.
16Satria tsofin'ny rivotra izy ka lasa, Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany.
17But the loving-kindness of Jehovah is from everlasting and to everlasting, upon them that fear him, and his righteousness unto children's children,
17Fa ny famindram-pon'i Jehovah dia hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin'izay matahotra Azy Ary ny fahamarinany mihatra amin'ny taranaka.
18To such as keep his covenant and to those that remember his precepts to do them.
18Dia amin'izay mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro hankatò ny didiny.
19Jehovah hath established his throne in the heavens, and his kingdom ruleth over all.
19Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao.
20Bless Jehovah, ye his angels, mighty in strength, that execute his word, hearkening unto the voice of his word.
20Misaora an'i Jehovah, ianareo anjeliny, Dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon'ny teniny.
21Bless Jehovah, all ye his hosts; ye ministers of his that do his will.
21Misaora an'i Jehovah, ny miaramilany rehetra, Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony.Misaora an'i Jehovah, ny asany rehetra eran'ny fanjakany; Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko.
22Bless Jehovah, all his works, in all places of his dominion. Bless Jehovah, O my soul!
22Misaora an'i Jehovah, ny asany rehetra eran'ny fanjakany; Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko.