1{[A Psalm] of David.} Blessed be Jehovah my rock, who teacheth my hands to war, my fingers to fight;
1[Fiderana an'Andriamanitra noho ny nanambinany ny mpanjaka, ary filazana ny mahatsinontsinona ny olombelona sy ny soa hitan'ny mpanompon'Andriamanitra] Nataon'i Davida. Isaorana anie Jehovah Vatolampiko, Izay mampianatra ny tanako hamely Sy ny rantsan-tanako hiady,
2My mercy and my fortress, my high tower and my deliverer, my shield and he in whom I trust, who subdueth my people under me!
2Izay Mpiantra sy batery fiarovana ho ahy sady fiarovana avo sy Mpanafaka ahy, Ary ampingako sy fialofako, Izay mahafolaka ny vahoakako hanoa ahy
3Jehovah, what is man, that thou takest knowledge of him, the son of man, that thou takest thought of him?
3Jehovah ô, inona ny olona, no iahianao azy? Ary ny zanak'olombelona, no iheveranao azy? [Heb. ahafantaranao]
4Man is like to vanity; his days are as a shadow that passeth away.
4Ny olona dia tahaka ny zava-poana, Ny androny dia tahaka ny aloka mihelina.
5Jehovah, bow thy heavens, and come down; touch the mountains, that they smoke;
5Jehovah ô, aondreho ny lanitrao, ka midina; Tendreo ny tendrombohitra, dia hidonaka ireny.
6Cast forth lightnings, and scatter them; send forth thine arrows, and discomfit them:
6Ampitselatselaro ny helatra, ka ampielezo ireo; Alefao ny zana-tsipìkanao, ka ampifanaritaho ireo;
7Stretch out thy hands from above; rescue me, and deliver me out of great waters, from the hand of aliens,
7Ahinjiro avy any ambony ny tananao; Afaho aho, ka vonjeo amin'ny rano be, Dia amin'ny tanan'ny hafa firenena,
8Whose mouth speaketh vanity, and their right hand is a right hand of falsehood.
8Izay miteny zava-poana amin'ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka.
9O God, I will sing a new song unto thee; with the ten-stringed lute will I sing psalms unto thee:
9Andriamanitra ô, hihira fihiram-baovao ho Anao aho; Amin'ny valiha tory folo no hankalazako Anao,
10Who givest salvation unto kings; who rescuest David thy servant from the hurtful sword.
10Izay manome famonjena ho an'ireo mpanjaka, Sady mamonjy an'i Davida mpanompony tsy ho voan'ny sabatra mandratra.
11Rescue me, and deliver me from the hand of aliens, whose mouth speaketh vanity, and their right hand is a right hand of falsehood.
11Afaho aho, ka vonjeo amin'ny tanan'ny hafa firenena, Izay miteny zava-poana amin'ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka;
12That our sons may be as plants grown up in their youth; our daughters as corner-columns, sculptured after the fashion of a palace:
12Mba ho tahaka ny zava-maniry maroroka ny zanakai-lahy, Ary ho tahaka ny vato fehizoro voasoratra tsara toy ny fomban'ny lapan'andriana ny zanakai-vavy.
13Our granaries full, affording all manner of store; our sheep bringing forth thousands, ten thousands in our pastures;
13Ho feno ny trano fitehirizanay, ka hisy vokatra betsaka samy hafa karazana; Hiteraka arivoarivo sy alinalina ny ondrinay any an-tsahanay;
14Our kine laden [with young]; no breaking in and no going forth, and no outcry in our streets.
14Hahazaka be ny ombinay, Ary tsy hisy ho rava, na ho lasan-ko babo, Sady tsy hisy fitarainana any an-dalambenay.Sambatra ny firenena izay tahaka izany; Eny, sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny.
15Blessed the people that is in such a case! Blessed the people whose God is Jehovah!
15Sambatra ny firenena izay tahaka izany; Eny, sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny.