Estonian

Malagasy

Proverbs

13

1Tark poeg kuulab isa õpetust, aga pilkaja ei kuula sõitlustki.
1Ny zanaka hendry mihaino ny fananaran-drainy; Fa ny mpaniratsira tsy mety mihaino, na dia anarina mafy aza.
2Oma suu viljast sööb mees head, aga autute igatsuseks on vägivald.
2Ny vokatry ny vavan'ny olona no ahazoany soa; Fa ny hampidi-doza no mahafaly ny mpivadika.
3Kes valvab oma suud, hoiab oma hinge, aga huulte ammuliajajat tabab hukatus.
3Izay mahambim-bava no miaro ny ainy; Fa izay vavàna dia haringana.[Na: ny fanahiny]
4Laisa hing igatseb asjata, aga virkade hing kosub.
4Ny fanahin'ny kamo maniry, fa tsy mba mahazo; Fa ny fanahin'ny mazoto hohatavezina.
5Õige vihkab valelikkust, aga õel toimib vastikult ja häbiväärselt.
5Ny lainga dia halan'ny marina; Fa ny ratsy fanahy manao izay maharikoriko sy mahamenatra.
6Õigus kaitseb seda, kelle tee on laitmatu, aga õelus kukutab patuse.
6Ny fahamarinana miaro izay mandeha tsy misy tsiny; Fa ny haratsiana mamotraka ny mpanota.
7Üks näib rikkana, aga tal ei ole midagi, teine näib vaesena, aga tal on palju vara.
7Misy mihambo ho manan-karena, nefa tsy manana na inona na inona; Misy kosa mody malahelo, nefa manana harena be.
8Mehe hinge lunahind on tema rikkus, aga vaesel pole vaja sõitlust kuulda.
8Ny haren'ny olona dia avotry ny ainy; Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory.
9Õigete valgus paistab rõõmsasti, aga õelate lamp kustub ära.
9Ny fahazavan'ny marina dia tsara firehitra; Fa ny jiron'ny ratsy fanahy ho faty.[Heb. mifaly]
10Ülbusest tõuseb riid, aga kes nõu kuulda võtavad, on targad.
10Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; Fa ao amin'ny mino anatra no misy fahendrena.
11Hõlpsalt saadud varandus kahaneb, aga kes kogub vähehaaval, kasvatab seda.
11Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava; Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo.
12Pikk ootus teeb südame haigeks, aga täideläinud igatsus on elupuu.
12Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo; Fa hazon'aina ny faniriana tanteraka.
13Kes põlgab sõna, teeb enesele kahju, aga kes kardab käsku, saab tasu.
13Izay manamavo ny teny ho voasingony; Fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia.[Na: mahavery tena]
14Targa õpetus on eluallikas surmapaeltest pääsemiseks.
14Ny fampianaran'ny hendry dia loharanon'aina Ka mampivily tsy ho ao amin'ny fandriky ny fahafatesana.
15Peenetundelisus toob poolehoidu, aga hoolimatute tee on hukatus.
15Ny fahendrena tsara dia ahazoam-pitia; Fa sarotra ny lalan'ny mpivadika.
16Taibukas teeb kõike teadlikult, aga alp näitab oma rumalust.
16Ny mahira-tsaina, rehetra miasa amin'ny fahalalana; Fa ny adala kosa mampiseho hadalana;
17Õel käskjalg toob õnnetuse, aga ustav saadik toob tervise.
17Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza; Fa ny iraka mahatoky dia famelombelomana.[Na: fanasitranana]
18Vaesus ja häbi on sellel, kes ei hooli õpetusest, aga kes noomimist tähele paneb, seda austatakse.
18Fahalahelovana sy henatra no ho an'izay mandà famaizana; Fa izay manaiky anatra no homem-boninahitra.
19Täideläinud igatsus on hingele armas, kurjast hoidumine on alpide meelest hirmus.
19Mamin'ny fo ny faniriana tanteraka; Fa fahavetavetana eo imason'ny adala ny hiala amin'ny ratsy. [Na: efa mitranga]
20Kes tarkadega läbi käib, saab targaks, aga kes alpidega seltsib, selle käsi käib halvasti.
20Izay miara-dia amin'ny hendry dia ho hendry; Fa izay misakaiza amin'ny adala dia hidiran-doza.[Na: ho ratsy]
21Õnnetus ajab taga patuseid, aga õiged saavad palgaks õnne.
21Ny mpanota dia enjehin'ny loza: Fa hovalian-tsoa ny marina.
22Hea inimene jätab pärandi lastelastelegi, aga patuse vara talletatakse õigele.
22Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny, Fa ny haren'ny mpanota kosa voatahiry ho an'ny marina.
23Kehvade uudismaa annab palju leiba, aga mõni hukkub ülekohtu tõttu.
23Ny tanin'ny malahelo izay voasa dia ahazoana hanina be; Fa maro no ringana noho ny fanaovan'izay tsy rariny.
24Kes vitsa ei tarvita, vihkab oma poega, aga kes teda armastab, karistab teda aegsasti.
24Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; Fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.Ny marina mihinana ka voky tsara; Fa noana ny kibon'ny ratsy fanahy.
25Õige sööb nii palju, kui ta süda kutsub, aga õelate kõht on tühi.
25Ny marina mihinana ka voky tsara; Fa noana ny kibon'ny ratsy fanahy.