1Rahulik vastus vaigistab raevu, aga haavav sõna õhutab viha.
1Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.
2Tarkade keel teeb tundmise heaks, aga alpide suu laseb voolata rumalust.
2Ny lelan'ny hendry mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan'ny adala miboiboika fahadalana.
3Issanda silmad on igas paigas, valvates kurje ja häid.
3Ny mason'i Jehovah amin'izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
4Keele mahedus on elupuu, aga selle valelikkus murrab vaimu.
4Ny teny malemy dia hazon'aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.[Heb. lela]
5Meeletu laidab oma isa õpetust, aga kes noomimist tähele paneb, teeb targasti.
5Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.
6Õige kojas on palju vara, aga õela saak jääb tarvitamata.
6Ao an-tranon'ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy dia misy loza.
7Tarkade huuled külvavad teadmisi, aga alpide süda ei tee nõnda.
7Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon'ny adala.
8Õelate ohver on Issandale jäle, aga õigete palve on temale meelepärane.
8Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason'i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany.
9Õela tee on Issanda meelest jäle, aga ta armastab õigusenõudjat.
9Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny lalan'ny ratsy fanahy; Fa izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany.
10Rajalt lahkuja karistus on karm, noomimise vihkaja peab surema.
10Famaizana mafy no hihatra amin'izay mivily lalana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty.
11Surmavald ja kadupaik on lahti Issanda ees, saati siis inimlaste südamed.
11Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan'i Jehovah, Koa mainka ny fon'ny zanak'olombelona![Heb. Sheola]
12Pilkaja ei armasta, et teda noomitakse, tarkade juurde ta ei lähe.
12Tsy tian'ny mpaniratsira izay mananatra azy, Ary tsy mety manatona ny hendry izy.
13Rõõmus süda teeb näo rõõmsaks, aga südamevalus pekstakse vaim rusuks.
13Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; Fa ny alahelon'ny fo mahareraka ny fanahy.
14Mõistlik süda otsib tunnetust, aga alpide suu leiab toitu rumalusest.
14Ny fon'ny manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan'ny adala mankamamy ny fahadalana.
15Viletsal on kõik päevad pahad, aga rõõmsal südamel on alati pidu.
15Ratsy avokoa ny andron'ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva.
16Parem pisut Issanda kartuses kui suur varandus ja rahutus selle juures.
16Aleo ny kely misy ny fahatahorana an'i Jehovah Toy izay harena be misy ahiahy.
17Parem taimetoit armastusega kui nuumhärg, mille juures on vihkamine.
17Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra Toy izay omby mifahy asian-dromoromo. [Heb. fitiavana][Heb. fankahalana]
18Raevutsev mees õhutab tüli, aga pikameelne vaigistab riidu.
18Izay malaky tezitra manetsika ady; Fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.
19Laisa tee on nagu kibuvitsahekk, aga õigete rada on sillutatud.
19Ny lalan'ny malaina dia toy ny fefy tsilo Fa ny lalamben'ny marina dia voalamina tsara.
20Tark poeg rõõmustab isa, aga alp inimene põlgab ema.
20Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny adala manao tsinontsinona an-dreniny.
21Rumalus on rõõmuks sellele, kel puudub aru, aga arukas mees käib otse.
21Ny fahadalana dia fifalian'ny tsy ampy saina; Fa ny manan-tsaina kosa mizotra mahitsy
22Nõupidamiseta nurjuvad kavatsused, aga lähevad korda paljude nõuandjate abiga.
22Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; Fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.
23Inimesel on rõõm, kui ta suu oskab vastata, ja sõna õigel ajal - küll see on hea.
23Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany, Ary endrey ny hatsaran'ny teny atao amin'izay andro mahamety azy!
24Targal läheb elurada ülespidi, et ta pääseks põrgust, mis on all.
24Làlan'aina ho any ambony no alehan'ny hendry, Hanalavirany ny fiainan-tsi-hita any ambany,[Heb. Sheola]
25Issand kisub maha kõrkide koja, aga ta kinnitab lesknaise raja.
25Ravan'i Jehovah ny tranon'ny mpiavonavona; Fa ny fari-tanin'ny mpitondra-tena aoriny mafy.
26Kurjad kavatsused on Issandale jäledad, aga heatahtlikud sõnad on puhtad.
26Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny hevi-dratsy; Fa madio ny teny mahafinaritra.[Na: Fa ny madio manao]
27Kes ahnitseb kasu, jätab oma koja hooletusse, aga kes vihkab meelehead, jääb elama.
27Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin'ny ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho velona.
28Õige süda mõtleb, mida vastata, aga õelate suu purskab kurjust.
28Ny fon'ny marina mihevitra vao mamaly; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana.
29Issand on õelatest kaugel, aga ta kuuleb õigete palveid.
29Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny.
30Silmade särast rõõmustab süda, hea sõnum kosutab luid-liikmeid.
30Ny tarehy miramirana mahafaly ny fo; Ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana.[Heb. Ny fahazavan'ny maso]
31Kõrv, mis kuulab eluks vajalikku noomimist, jääb tarkade seltsi.
31Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona Dia miara-mitoetra amin'ny hendry.
32Kes ei hooli õpetusest, põlgab oma hinge, aga kes kuulab noomimist, saab targa südame.
32Izay mandà anatra dia manary tena; Fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana.Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana.
33Issanda kartus on tarkuse kool, aga enne au on alandus.
33Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana.