1Inimesel on küll südamesoovid, aga Issandalt tuleb, mida keel peab kostma.
1Ny fikasan'ny fo no amin'ny olona; Fa ny famalian'ny lela dia avy amin'i Jehovah.
2Kõik mehe teed on ta enese silmis selged, aga Issand katsub vaimud läbi.
2Ataon'ny olona ho madio avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no mpandanja ny fanahy.
3Veereta oma tööd Issanda peale, siis su kavatsused lähevad korda.
3Ankino amin'i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao.
4Issand on kõik teinud otstarbekohaselt, nõnda ka õela õnnetuspäeva jaoks.
4Ny zavatra rehetra nataon'i Jehovah dia samy misy antony avokoa; Eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin'ny andro hahitan-doza.
5Iga südamelt ülbe on Issanda meelest jäle, käsi selle peale - seesugune ei jää karistuseta!
5Fahavetavetana eo imason'i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po, Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina izy.[Heb. Azo ifandraisan-tanana; na: Hatramin'ny taranaka fara mandimby dia]
6Armastuse ja ustavuse abiga lepitatakse süü, ja Issanda kartuse tõttu hoidutakse kurjast.
6Ny famindram-po sy ny fahamarinana no avotra amin'ny heloka; Ary ny fahatahorana an'i Jehovah no analavirana ny ratsy.
7Kui mehe teed meeldivad Issandale, siis ta paneb tema vaenlasedki temaga rahu tegema.
7Raha sitrak'i Jehovah ny alehan'ny olona, Na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy.
8Parem pisut õiglusega kui palju tulu ülekohtuga.
8Aleo ny kely omban'ny fahamarinana Toy izay ny harem-bevava azo amin'ny tsy rariny.
9Inimese süda kavandab oma teed, aga Issand juhib tema sammu.
9Ny fon'ny olona mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany.
10Otsus on kuninga huultel: kohut mõistes tema suu ei eksi.
10Ny teny marina dia eo amin'ny molotry ny mpanjaka, Ary tsy diso teny izy, raha mitsara.
11Õige margapuu ja vaekausid on Issanda päralt, kõik vihid kukrus on tema tehtud.
11An'i Jehovah ny fandanjana sy ny mizana marina, Avy aminy avokoa ireo vato rehetra an-kitapo.[Heb. Asany]
12Ülekohut teha on kuningate meelest jäle, sest aujärg kinnitatakse õigluses.
12Fahavetavetana eo imason'ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy; Fa fahamarinana no iorenan'ny seza fiandrianana.
13Õiglased huuled on kuningale meelepärased ja ta armastab seda, kes õigust kõneleb.
13Sitraky ny mpanjaka ny molotra marina, Ary izay miteny mahitsy no tiany.
14Kuninga viha on surma käskjalg, aga tark mees püüab seda lepitada.
14Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana. Fa ny olon-kendry mampionona izany.
15Kuninga lahke nägu tähendab elu ja tema poolehoid on otsekui kevadine vihmapilv.
15Amin'ny fahamiramiranan'ny tarehin'ny mpanjaka dia misy fiainana, Ary ny fankasitrahany dia toy ny rahona amin'ny fararano.
16Kui palju parem on hankida tarkust kui kulda, ja arukuse hankimine on hõbedast olulisem.
16Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena, Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy.
17Õigete tee on hoidumine kurjast; oma hinge hoiab, kes oma teed tähele paneb.
17Ny manalavitra ny ratsy no lalamben'ny marina, Ary izay mitandrina ny alehany no miaro ny ainy.[Na: fanahiny]
18Uhkus on enne langust ja kõrkus enne komistust.
18Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, Ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.
19Parem olla koos vaestega alandlik kui kõrkidega saaki jagada.
19Tsara ny malemy fanahy ao amin'izay manetry tena Noho ny mizara babo amin'izay miavonavona.
20Kes sõna tähele paneb, leiab õnne, ja kes loodab Issanda peale, on õnnis.
20Izay mandinika ny teny no hahita soa; Ary izay matoky an'i Jehovah no ho sambatra.
21Kel tark süda, seda nimetatakse mõistlikuks, ja mahedad huuled edendavad õpetust.
21Izay hendry am-po dia lazaina hoe manan-tsaina, Ary ny hamamian'ny molotra mampandroso fahendrena.
22Mõistus on omanikule eluallikaks, aga rumalus on rumalatele karistuseks.
22Loharanon'aina ny fahazavan-tsaina amin'izay manana izany; Fa ny famaizana ataon'ny adala dia fahadalana ihany.
23Targa süda teeb tema suu targaks ja edendab ta huultel õpetust.
23Ny fon'ny hendry mahahendry ny vavany Sady manampy fahendrena eo amin'ny molony.
24Sõbralikud sõnad on nagu kärjemesi, magusad hingele ja kosutuseks kontidele.
24Toho-tantely ny teny mahafinaritra, Ka sady mamin'ny fanahy no mahatsara ny taolana.
25Mehe meelest on mõnigi tee õige, aga lõpuks on see surmatee.
25Misy lalana ataon'ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany.
26Nälg aitab töömeest töös, sest ta oma suu sunnib teda.
26Ny fahanoanan'ny mpiasa dia mampiasa azy, Fa ny tendany no manesika azy.[Heb. miasa ho azy][Heb. vavany]
27Kõlvatu mees kaevab hukatuseaugu ja tema huultel on otsekui kõrvetav tuli.
27Ny ratsy fanahy mihady lavaka fanimbana, Sady misy toy ny afo mahamay eo amin'ny molony.
28Salakaval mees tõstab riidu ja keelepeksja lahutab sõbrad.
28Ny mpivadibadika mamafy ady; Ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza.
29Mees, kes kasutab vägivalda, ahvatleb oma ligimest ja viib ta teele, mis ei ole hea.
29Ny lozabe mitaona ny namany Ka mitarika azy amin'ny lalana tsy tsara.
30Kes silmi pilgutab, see mõtleb riukaid; kes huuled kokku pigistab, sel on pahategu otsustatud.
30Izay manakimpy ny masony hieritreritra ny ratsy Sady manaikitraiki-molotra dia efa mikasa hanao ratsy.
31Hallid juuksed on ilus kroon, mis saavutatakse, kui ollakse õigluse teel.
31Satroboninahitra tsara tarehy ny volofotsy, Ao amin'ny lalan'ny fahamarinana no ahazoana azy.
32Pikameelne on parem kui kangelane, ja kes valitseb iseenese üle, on parem kui linna vallutaja.
32Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, Ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.Ny filokana dia atsipy ao am-pofoany; Fa avy amin'i Jehovah ihany no isehoan'ny fitsarany.
33Liisku heidetakse kuuehõlmas, aga selle otsus on Issandalt.
33Ny filokana dia atsipy ao am-pofoany; Fa avy amin'i Jehovah ihany no isehoan'ny fitsarany.