Estonian

Malagasy

Proverbs

21

1Kuninga süda on Issanda käes nagu veeojad: tema juhib seda, kuhu ta iganes tahab.
1Rano velona eo an-tànan'i Jehovah ny fon'ny mpanjaka, Ka tarihiny amin'izay tiany.
2Kõik mehe teed on ta enese silmis õiged, aga Issand katsub südamed läbi.
2Ataon'ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo.
3Teha, mis õige ja kohus - see on Issandale olulisem kui ohver.
3Ny hanao izay marina sy mahitsy No sitrak'i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà.
4Ülbed silmad ja hooplev süda, õelate lamp, on patt.
4Ny fiandranandran'ny maso sy ny fiavonavon'ny fo Izay jiron'ny ratsy fanahy dia ota.[Na: asan']
5Virga kavatsused toovad küll kasu, aga kõik ruttajad saavad ometi kahju.
5Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; Fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany.
6Valeliku keelega varanduste soetamine on surma otsijate hajuv tuulevine.
6Ny fahazoan-karena amin'ny lela mandainga Dia fofonaina mihelina ho an'izay mitady fahafatesana.
7Õelate vägivald viib ära neid endid, sest nad ei taha õigust teha.
7Ny fitohatohan'ny ratsy fanahy hamongotra azy, Satria mandà tsy hanao izay marina izy.
8Süüdlase tee on kõver, aga süütu eluviis on õige.
8Miolikolika ny lalan'ny mavesa-keloka; Fa mahitsy ny ataon'ny madio.
9Parem on elada katusenurgas kui riiaka naisega ühises kojas.
9Aleo mitoetra eo an-joron'ny tampon-trano Toy izay hiray trano amin'ny vehivavy tia ady.
10Õela hing ihaldab kurja, ligimene ei leia armu tema silmis.
10Ny fanahin'ny ratsy fanahy maniry ny ratsy, Ka na dia ny havany aza tsy mahita fitia eo imasony.
11Kui pilkajat karistatakse, saab kohtlane targaks, ja kui tarka õpetatakse, võtab ta õpetust.
11Raha ampijalina ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary raha toroan-kevitra ny hendry, dia hahazo fahalalana izy.
12Õige pidagu silmas õela koda: õelad tõugatakse õnnetusse.
12Ny Iray Marina no mandinika ny tranon'ny ratsy fanahy Ka mamarina azy ho amin'ny loza.
13Kes suleb oma kõrva viletsa hädakisale, see peab ka ise karjuma vastust saamata.
13Izay manentsin-tadiny amin'ny fitarainan'ny malahelo, Dia mba hitaraina kosa izy, fa tsy hohenoina.
14Salajane and vaigistab viha ja kingitus põue - tugeva raevu.
14Ny fanomezana mangingina mampionona ny fahatezerana, Ary ny kolikoly amin'ny takona mampitsahatra ny fahavinirana mafy.
15Õigele on rõõmuks, kui tehakse õigust, aga kurjategijaile on see ehmatuseks.
15Fifalian'ny marina ny hanao araka ny rariny; Fa zava-mahatahotra ny mpanao ratsy kosa izany.
16Inimene, kes eksib tarkuse teelt, peab minema puhkama surnute seltsi.
16Ny olona izay mivily miala amin'ny lalan'ny fahendrena Dia hitoetra ao amin'ny fivorian'ny fanahin'ny maty.
17Kes armastab lõbu, jääb vaeseks meheks; kes armastab veini ja õli, ei saa rikkaks.
17Izay tia fanaranam-po dia olona halahelo, Eny, izay tia divay sy diloilo tsy mba hanan-karena.
18Õel jääb lunahinnaks õige eest ja ausate asemele jääb autu.
18Ny ratsy fanahy dia ho avotry ny marina, Ary ny mpivadika ho solon'ny mahitsy.
19Parem on elada kõrbemaal kui riiaka ja pahura naisega.
19Aleo mitoetra any an-efitra Toy izay amin'ny vehivavy tia ady sady foizina.
20Targa kodus on kallist vara ja õli, aga alp inimene neelab need.
20Harena mahafinaritra sy diloilo no ao amin'ny tranon'ny hendry; Fa ny adala mandany azy.
21Kes taotleb õiglust ja headust, leiab elu, õiguse ja au.
21Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindram-po Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.
22Tark tõuseb vägevate linna ja kisub maha kantsi, mille peale nad lootsid.
22Ny hendry mananika ny vohitry ny mahery Ka mandrodana ny fiarovana mafy izay itokiany.
23Kes valvab oma suud ja keelt, hoiab oma hinge hädade eest.
23Izay miambina ny vavany sy ny lelany Dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana.
24Pilkaja on selle ülbe upsaka nimi, kes teeb oma tegusid määratus ülbuses.
24Izay mirehareha sy miavonavona no atao hoe mpaniratsira, Dia izay olona fatra-piavonavona.
25Laisale on ta ihkamine surmaks, sest ta käed ei taha tööd teha.
25Ny fanirian'ny malaina hahafaty azy, Satria ny tànany tsy mety miasa tsinona;
26Päev otsa himustab ta aina saada, aga õiglane annab ega keela.
26Maniry fatratra mandritra ny andro izy; Fa ny marina kosa manome ka tsy mba mahihitra.
27Õelate ohver on jäledus, eriti kui seda tuuakse häbiteo eest.
27Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana, Ka indrindra raha amin'ny sain-dratsy no itondrany azy.
28Valetunnistaja hukkub, aga mees, kes midagi on kuulnud, võib alati rääkida.
28Ho faty ny vavolombelona mandainga; Fa izay mihaino dia hiteny mandrakariva.
29Õel mees näitab jultunud nägu, aga õige kinnitab oma teid.
29Ny ratsy fanahy mampiseho ny fahasahisahiany amin'ny tarehiny; Fa ny marina kosa dia mihevitra izay halehany.
30Issanda vastu ei aita tarkus, mõistus ega nõu.
30Tsy misy fahendrena, na fahalalana, Na fisainana mahaleo an'i Jehovah.Voaomana ny soavaly ho amin'ny andro iadiana; Fa an'i Jehovah ihany ny fandresena.
31Hobune seatakse valmis tapluse päevaks, aga võit on Issanda käes.
31Voaomana ny soavaly ho amin'ny andro iadiana; Fa an'i Jehovah ihany ny fandresena.