1Halleluuja! Tänage Issandat, sest tema on hea, sest tema heldus kestab igavesti!
1[Ny fivadibadihan'ny Isiraely ampitahaina amin'ny fahamarinan'Andriamanitra] Haleloia. Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy, Fa mandrakizay ny famindram-pony.
2Kes jõuab ära rääkida Issanda vägevaid tegusid ja kuulutada kõike tema kiitust?
2Iza no mahalaza ny asa lehibe ataon'i Jehovah, Na mahatonona ny fiderana Azy rehetra?
3Õndsad on need, kes peavad tema seadusi ja kes teevad õigust igal ajal.
3Sambatra izay mitandrina ny mety Ka manao ny marina mandrakariva.
4Mõtle minule, Issand, su head meelt mööda oma rahva vastu, tule mind katsuma oma abiga,
4Jehovah ô, tsarovy aho araka ny fankasitrahanao ny olonao; Vangio amin'ny famonjenao aho,
5et ma näeksin su valitud rahva head põlve ning rõõmustaksin sinu rahva rõõmuga, kiitleksin koos sinu pärisosaga!
5Hahitako ny soa azon'ny voafidinao, Hifaliako amin'ny fifalian'ny firenenao, Hiravoravoako miaraka amin'ny lovanao.
6Me oleme pattu teinud nagu meie esiisad, me oleme teinud paha ja olnud õelad.
6Efa nanota izahay mbamin'ny razanay, Efa nanao izay meloka sy ratsy izahay.
7Meie esiisad Egiptuses ei saanud õieti aru su imetegudest ega pidanud meeles su suurt heldust, vaid tõrkusid su vastu mere ääres, Kõrkjamere ääres.
7Ny razanay tany Egypta tsy mba nandinika ny fahagagana nataonao; Tsy mba nahatsiaro ny habetsahan'ny famindram-ponao ireny, Fa niodina teo amoron-dranomasina, Dia teo amoron'ny Ranomasina Mena
8Aga tema päästis nad oma nime pärast, et ilmutada oma vägevust.
8Kanefa namonjy azy ihany Izy noho ny anarany, Mba hampahafantarany ny asany lehibe.
9Ta sõitles Kõrkjamerd ja see sai kuivaks, ja ta talutas nad ürgvetest läbi otsekui kõrbet mööda.
9Dia noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, ka tonga maina iny; Ary nitondra azy nita ny rano lalina tahaka ny efitra Izy,
10Nõnda ta päästis nad vihamehe käest ja lunastas nad vaenlaste käest.
10Namonjy azy tamin'ny tanan'ny mpandrafy Izy Ary nanavotra azy tamin'ny tanan'ny fahavalo.
11Veed matsid nende rõhujad, ei jäänud neist üle ühtainustki.
11Dia nosaronan'ny rano kosa ny rafiny. Ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
12Siis nad uskusid tema sõnu, nad laulsid temale kiitust.
12Dia nino ny teniny izy Ka nihira ny fiderana Azy.
13Kuid varsti nad unustasid tema teod ega jäänud ootama tema nõuandmist.
13Nalaky nanadino ny asany izy ka tsy niandry ny saina hatolony,
14Suur himu süttis neil kõrbes ja nad kiusasid Jumalat tühjal maal.
14Fa fatra-pila izy tany an-efitra, Sady naka fanahy an'Andriamanitra tany an-tany foana.
15Siis andis tema neile, mida nad palusid, aga läkitas tõve nende sekka.
15Dia nomeny azy izay nilainy, Kanefa nampahahiaziny kosa izy.[Na: ny fanahiny]
16Ja nad kadestasid leeris Moosest ja Aaronit, Issanda pühitsetut.
16Dia nialona an'i Mosesy tany an-toby Izy ireo Sady nialona an'i Arona, olo-masin'i Jehovah.
17Aga maa avanes ja neelas Daatani ja mattis kinni Abirami jõugu.
17Nisokatra ny tany, dia nitelina an'i Datana Ka nanarona ny antokon'i Abìrama.[Heb. ny fiangonany]
18Ja tuli loitis nende jõugus, leek lõõmas õelate kallal.
18Dia nisy afo nirehitra tamin'ny antokony; Lelafo no nandoro ny ratsy fanahy.[Heb. ny fiangonany]
19Nad tegid vasika Hoorebi mäe ääres ning kummardasid valatud kuju.
19Nanao ombilahy kely tany Horeba izy Ka niankohoka teo anoloan'ny sarin-javatra an-idina.
20Nad vahetasid oma Aulise rohtu sööva härja kuju vastu.
20Ary ny voninahiny dia natakalony Sarin'ny omby homana ahitra.
21Nad unustasid Jumala, oma päästja, kes oli teinud suuri asju Egiptuses,
21Nohadinoiny Andriamanitra, Mpamonjy azy, Izay efa nanao zava-dehibe tany Egypta,
22imetegusid Haami maal, kardetavaid tegusid Kõrkjamere ääres.
22Dia fahagagana tany amin'ny tanin'i Hama sy zava-mahatahotra teo amin'ny Ranomasina Mena.
23Siis ta lubas nad hävitada, kui poleks olnud Moosest, ta valitut, kes astus kaljulõhes ta palge ette, et ära pöörata tema vihaleeki hukatust toomast.
23Ary nikasa handringana azy Izy, Raha tsy Mosesy voafidiny no nandroso hijoro tamin'ny banga teo anatrehany hampiala ny fahatezerany mba tsy handringanany azy.[Heb. nilaza]
24Pärast nad põlgasid ära kalli maa, ei nad uskunud tema sõna.
24Ary nanamavo ny tany mahafinaritra ireo Sady tsy mba nino ny teniny,
25Siis nad nurisesid oma telkides ega tahtnud kuulda Issanda häält.
25Fa nimonomonona tany an-dainy Ka tsy nihaino ny feon'i Jehovah.
26Aga tema tõstis oma käe nende vastu, et neid hukutada kõrbes,
26Dia nanandratra ny tànany taminy Izy, Fa hampiampatrampatra azy any an-efitra
27ja et nende seeme langeks paganarahvaste sekka ning neid pillutataks mööda maid.
27Ary ny taranany kosa any amin'ny jentilisa, Ary hampihahakahaka azy any amin'ny tany maro Izy.
28Siis nad astusid liitu Baal-Peoriga ja sõid surnute ohvreid
28Nikambana tamin'i Bala-peora ireo ka nihinana ny fanatitra ho an'ny maty,
29ja ärritasid teda oma tegudega, ja nii tungis taud nende kallale.
29Dia nampahatezitra an'i Jehovah tamin'ny nataony, Ka dia namely azy tampoka ny areti-mandringana.
30Siis Piinehas astus esile ja pidas kohut, ja taudile pandi piir.
30Fa nitsangana nandroso Finehasa ka nanao fitsarana; Dia nitsahatra ny areti-mandringana.
31Ja see arvati temale õiguseks põlvest põlve, igavesti.
31Ary nisaina ho fahamarinany izany Hatramin'ny taranaka fara mandimby mandrakizay.
32Nad vihastasid teda Meriba vee ääres, nõnda et Mooseski sai kannatada nende pärast.
32Nampahatezitra an'i Jehovah teo anilan'ny ranon'i Meriba ireo, Ka nisy nanjo an'i Mosesy noho ny nataon'ireo;
33Sest nad tegid ta meele väga kibedaks, nõnda et ta huultele tulid mõtlemata sõnad.
33Fa niodina tamin'ny Fanahin'i Jehovah ireo, ka dia nihoa-bava Mosesy.
34Nad ei hävitanud rahvaid, keda Issand oli neid käskinud hävitada,
34Tsy naringany ny firenena Izay nasain'i Jehovah naringany;
35vaid nad segasid endid paganarahvastega ning õppisid nende tegusid.
35Fa nifangaro tamin'ny jentilisa izy Ka nianatra ny fanaony,
36Nad teenisid nende ebajumalaid ja need said neile püüniseks.
36Dia nanompo ny sampiny izy, Ka dia nody fandrika ho azy izany.
37Nad ohverdasid oma poegi ja tütreid kurjadele vaimudele
37Namono ny zananilahy sy ny zananivavy ho fanatitra ho an'ny demonia ireo;[Heb. ireo tompo]
38ja valasid süüta verd, oma poegade ja tütarde verd, mida nad ohverdasid Kaanani ebajumalaile. Ja maa reostati veresüüga.
38Eny, nandatsaka rà marina izy, Dia ny ran'ny zananilahy sy ny zananivavy, Izay novonoiny ho fanatitra ho an'ny sampin'i Kanana; Ka dia nametaveta ny tany tamin'ny rà izy.
39Ja nad rüvetusid oma tegudest ning hoorasid oma eluviisidega.
39Ary naloto tamin'ny asany izy Ary nahatonga azy ho mijangajanga ny nataony.
40Siis süttis Issanda viha oma rahva vastu ja tema pärisosa sai jäledaks tema meelest;
40Dia nirehitra tamin'ny olony ny fahatezeran'i Jehovah, Ka nataony ho zava-betaveta ny lovany.
41ja tema andis nad paganarahvaste kätte ning nende vihamehed valitsesid nende üle.
41Dia nanolotra azy teo an-tànan'ny jentilisa Izy, Ka izay nankahala azy no nanapaka azy.
42Ja nende vaenlased rõhusid neid ning nad alandati nende käe alla.
42Ary nampahory azy ny fahavalony, Ka naetry tambanin'ny tànany izy.
43Mitu korda ta kiskus nad välja, kuid nad jäid tõrksalt oma nõu juurde ning said jõuetuks oma pahategude tõttu.
43Matetika Izy no nahafaka azy; Fa ireo kosa niodina taminy ihany araka ny fisainany Ka nihalevona noho ny helony.
44Aga ta vaatas nende kitsikusele, ja kui ta kuulis nende halisemist,
44Kanefa nijery ny fahoriany ihany Izy. Raha nandre ny fitarainany;
45siis ta meenutas oma lepingut nendega ja ta kahetses oma suurt heldust mööda
45Dia nahatsiaro ny fanekeny Izy Ka nanenina araka ny haben'ny famindram-pony.
46ning laskis neid leida halastust nende kõikide ees, kes nad olid vangi viinud.
46Dia nataony nahita famindram-po ireny Tamin'izay rehetra namabo azy.
47Päästa meid, Issand, meie Jumal! Ja kogu meid paganate seast, et saaksime tänada su püha nime ja kiidelda sinu kiitmisega!
47Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, Ka angòny avy amin'ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masina Sy hifalianay amin'ny fiderana Anao.Isaorana anie Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay; Ary aoka ny olona rehetra hanao hoe: Amena! Haleloia.
48Tänu olgu Issandale, Iisraeli Jumalale, igavesest ajast igavesti! Ja kõik rahvas öelgu: 'Aamen! Halleluuja!'
48Isaorana anie Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay; Ary aoka ny olona rehetra hanao hoe: Amena! Haleloia.