1Parempi leipäkannikka ja rauha kuin juhlapidot ja riita.
1Tsara ny sombi-mofo maina misy fiadanana Noho ny trano feno hena misy fifandirana.
2Viisas orja pitää kurissa kunnottoman pojan ja pääsee perinnölle veljesten kanssa.
2Ny mpanompo hendry dia hanapaka ny zanaka manao izay mahamenatra Sady hizara lova amin'ny mpirahalahy.
3Hopealle sulatin, kullalle uuni, ihmisten sydämet tutkii Herra.
3Ny memy ho an'ny volafotsy, ary ny fatana fandrendrehana ho an'ny volamena; Fa Jehovah ihany no Mpamantatra ny fo.
4Heittiö kuuntelee ilkeitä puheita, kieroilija turmion sanoja.
4Ny mpanao ratsy mampandry sofina amin'ny molotra mandainga; Ary ny mpandainga mihaino ny lela mampidi-doza.
5Joka köyhää pilkkaa, herjaa hänen Luojaansa, vahingonilo ei jää rankaisematta.
5Izay mihomehy ny malahelo manala baraka ny Mpanao azy; Ary izay faly amin'ny fahorian'ny sasany dia tsy maintsy hampijalina.
6Vanhusten kruununa ovat lastenlapset, lasten kunniana heidän isänsä.
6Satroboninahitry ny antitra ny zafiny; Ary voninahitry ny zanaka ny rainy.
7Tyhmän suuhun ei sovi suora puhe eikä ruhtinaan huulille valhe.
7Ny teny jadona tsy tandrifiny halahatry ny adala, Koa mainka fa tsy tokony ho an'ny zanak'andriana ny molotra mandainga.
8Joka lahjoo, luulee lahjaansa onnenkiveksi: minne hän menee, hän menestyy.
8Ny kolikoly dia toy ny vato soa eo imason'izay mahazo azy, Ka na aiza na aiza alehany dia ambinina ihany.
9Joka vaalii ystävyyttä, unohtaa loukkauksen, joka menneitä kaivelee, menettää ystävänsä.
9Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka; Fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena mpisakaiza.
10Viisas ottaa moitteesta opikseen, sata lyöntiäkään ei paranna tyhmää.
10Ny anatra dia manan-kery kokoa amin'ny hendry Noho ny kapoka injato amin'ny adala.
11Paha ihminen kapinoi ja kapinoi, kunnes kohtaa armottoman sanantuojan.
11Ny maditra dia fatra-pitady ny ratsy, Ka dia iraka lozabe no irahina hamely azy.
12Tulkoon vaikka poikasensa menettänyt karhu, kunhan ei tyhmyri hulluudessaan!
12Aleo mifanena amin'ny bera very anaka Toy izay amin'ny adala feno hadalana.
13Joka hyvän pahalla maksaa, vetää onnettomuuden kotinsa ylle.
13Izay mamaly ratsy ny soa, Ny ratsy tsy hiala ao an-tranony.
14Riita syntyy kuin rako patoon -- tuki se, ennen kuin vesi nousee!
14Ny fiandohan'ny ady dia toy ny manata-drano, Koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.
15Vapaus syylliselle, tuomio syyttömälle, kumpaakin Herra kammoksuu.
15Izay manamarina ny meloka, na izay manameloka ny marina,Dia samy fahavetavetana eo imason'i Jehovah.
16Mitä hyötyy tyhmyri rahoistaan? Viisautta hän ei ymmärrä ostaa.
16Hatao inona re ity vola an-tànan'ny adala? Hamidy fahendrena va? tsy manan-tsaina izy.
17Ystävän rakkaus ei koskaan petä, veli auttaa veljeä hädän hetkellä.
17Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin'ny andro rehetra, Sady miseho ho rahalahy hamonjy amin'ny fahoriana.[Heb. ateraka]
18Mieletön se, joka lyö kättä ja menee toisesta takuuseen.
18Olona tsy ampy saina izay mifandray tanana Hiantoka eo anatrehan'ny sakaizany.
19Joka rakastaa riitaa, rakastaa syntiä. Joka porttinsa korottaa, se etsii tuhoaan.
19Izay tia ady dia tia heloka; Ary izay manao vavahady avo mitady fahasimbana.
20Väärämielinen ei onnea tavoita, kieroilijan kohtaa perikato.
20Izay madi-po tsy hahita soa; Ary izay manana lela mandainga hivarina any amin'ny loza.
21Murheen saa, joka tyhmän siittää, houkan isä ei iloa tunne.
21Izay miteraka adala hahazo alahelo; Ary ny rain'ny adala tsy ho faly.
22Iloinen sydän pitää ihmisen terveenä, synkkä mieli kuihduttaa ruumiin.
22Ny fo ravoravo mahasalama tsara; Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.
23Jumalaton ottaa salaa lahjuksen ja vääristää oikeuden tien.
23Ny ratsy fanahy mandray kolikoly avy any anaty lamba Ho entiny mamadika ny rariny.
24Viisas pitää silmänsä viisaudessa, tyhmän katse kiertelee maailman rantaa.
24Eo anoloan'ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny mason'ny adala dia mibirioka any amin'ny faran'ny tany.
25Tyhmä poika on isänsä murhe, katkera pettymys äidilleen.
25Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy Sady fahoriana mangidy amin'ny reniny niteraka azy.
26Pahoin tehdään, jos syytöntä sakotetaan, oikeutta loukataan, jos ruoskitaan kunnian miestä.
26Tsy mety raha mampijaly ny marina, Na mamely ny manan-kaja noho ny fahamarinany.[Na: tsy amin'ny rariny]
27Viisas se, joka sanojaan säästää, järkevä pitää päänsä kylmänä.
27Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana; Ary izay mahatsindry fo no manan-tsaina.Na ny adala aza, raha tsy miteny, dia atao ho hendry, Ary izay mahafihim-bava dia toa manan-tsaina.
28Hullukin käy viisaasta, jos on vaiti, järkevästä, ellei suutaan avaa.
28Na ny adala aza, raha tsy miteny, dia atao ho hendry, Ary izay mahafihim-bava dia toa manan-tsaina.