1Parempi köyhyys ja rehellinen elämä kuin tyhmyys ja totuuden vääristely.
1Tsara ny malahelo mandeha tsy misy tsiny Noho izay mandainga amin'ny molony sady adala.
2Ei into auta, jos tietoa puuttuu, hätikkö eksyy ja kompastuu.
2Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy; Ary izay miezaka mosalahy dia ho diso lalana.
3Oma tyhmyys vie ihmisen harhaan, mutta silti hän on katkera Herralle.
3Ny fahadalan'ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin'i Jehovah no sosotra ny fony.
4Kyllä rikkaan luo ystäviä kertyy, köyhän luota he kaikkoavat.
4Ny harena mahamaro sakaiza; Fa ny malahelo afoin'ny sakaizany.
5Väärä todistaja ei jää rankaisematta, joka valheita puhuu, ei pelastu.
5Ny vavolombelona mandainga tsy ho afa-tsiny, Ary izay mamoaka lainga tsy ho afa-miala.
6Monet pyrkivät ylhäisten suosioon, anteliaan ystäviä ovat kaikki.
6Maro no mandambolambo andriana; Ary ny olona rehetra samy misakaiza amin'izay mpanome zavatra.
7Köyhää vihaavat hänen veljensäkin, karttavat vielä enemmän hänen ystävänsä. Turhaan hän koettaa puhua heille.
7Ny malahelo dia halan'ny rahalahiny rehetra, Koa mainka fa ny sakaizany tsy hanalavitra azy va? Manandrandra amin'ny teny tsy misy izy.[Heb. manenjika teny tsy misy]
8Itseään auttaa, joka ymmärrystään lisää, onnen saa, joka harkiten toimii.
8Izay mihary fahendrena no tia ny tenany, Ary izay mitandrina fahalalana hahita soa.
9Väärä todistaja ei jää rankaisematta. Joka valheita puhuu, se hukkuu.
9Ny vavolombelona mandainga tsy maintsy hampijalina, Ary ny miteny lainga ho very.
10Ei sovi tyhmälle helppo elämä eikä orjalle olo ylhäisten herrana.
10Ny ho velona amin'ny fahafinaretana dia tsy tandrifiny ho an'ny adala, Koa mainka izay hanapahan'ny mpanompo ny zanak'andriana.
11Viisaus tekee ihmisen pitkämieliseksi, kunnia sille, joka loukkauksen unohtaa!
11Ny fahendren'ny olona manindry ny fahatezerany, Ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.
12Kuninkaan viha on kuin leijonan ärjyntä, hänen suosionsa kuin nurmikon kaste.
12Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia toy ny fieron'ny liona tanora: Fa ny fitiany kosa toy ny ando amin'ny ahitra.
13Tyhmä poika on isänsä riesa, nalkuttava vaimo kuin vuotava katto.
13Ny zanaka adala mahabe fahoriana ny rainy; Ary ny ady ataon'ny vehivavy dia toy ny rano mitete mandrakariva.
14Talo ja tavara peritään isiltä, mutta viisas vaimo on Herran lahja.
14Trano sy harena no lova avy amin'ny ray; Fa ny vady hendry kosa dia avy amin'i Jehovah.
15Laiskuus vaivuttaa syvään uneen, vetelys joutuu näkemään nälkää.
15Ny hakamoana mahasondrian-tory, Ary ho mosarena ny olona malaina.
16Joka käskyt pitää, saa henkensä pitää, mutta kuolemaan kulkee, joka ei tietään tarkkaa.
16Izay mitandrina ny didy mitandrina ny ainy; Fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty.[Na: ny fanahiny]
17Joka köyhää armahtaa, lainaa Herralle, ja Herra maksaa takaisin hyvän teon.
17Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an'i Jehovah, Ary izay nomeny dia honerany kosa.
18Kurita poikaasi, kun vielä on toivoa, varo sentään hengiltä hakkaamasta.
18Faizo ny zanakao, fa mbola misy azo antenaina ihany, Nefa aza dia entim-po loatra, fandrao mahafaty azy.
19Kiivas mies hankkii äkkiä rangaistuksen. Jos yrität apuun, vain pahennat asiaa.
19Ny lozabe tsy maintsy hampijalina; Ary na dia vonjenao aza izy, dia mbola hanahirana anao ihany indray.
20Kuule neuvoja, ota kuritus varteen, että olisit vastedes viisaampi.
20Henoy ny saina atolotra, ary raiso ny fananarana, Mba ho hendry ianao amin'izay hiafaranao.[Na: any aoriana]
21Ihminen kaavailee monenlaista, mutta kaikki käy Herran tahdon mukaan.
21Maro ny hevitra ao am-pon'ny olona; Fa ny fisainan'i Jehovah no haharitra.
22Uskollisuus on ihmisessä arvokkainta, parempi on köyhä kuin petollinen.
22Fifaliana amin'ny olona ny manisy soa; Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga.
23Herran pelko turvaa elämäsi: nukut tyynesti, säikkymättä pahaa.
23Ny fahatahorana an'i Jehovah no ahazoana fiainana; Izay manana izany tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza.
24Laiska pistää kätensä ruokavatiin, mutta suuhun saakka käsi ei nouse.
24Ny malaina dia mangarona ny eo an-dovia amin'ny tànany, Nefa ny mampakatra azy ho amin'ny vavany dia tsy zakany.
25Lyö rehentelijää, se on tyhmille opiksi, ojenna viisasta, ja hänen viisautensa kasvaa.
25Kapohy ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary anaro ny manan-tsaina, dia hahalala fahendrena izy.
26Huono ja häpeämätön se poika, joka isäänsä lyö ja äitinsä häätää.
26Izay mitohatoha amin-drainy sy mandroaka ny reniny Dia zanaka mahamenatra sy mahafa-baraka.
27Poikani, ellet taivu kuriin, silloin eksyt tiedon tieltä.
27Anaka, mitsahara tsy hihaino anatra Izay mampanalavitra anao ny tenin'ny fahalalana.[Na: Anaka, raha dia minia manalavitra ny tenin'ny fahalalana ianao, Dia mitsahara tsy hihaino anatra]
28Vilpillinen todistaja häpäisee oikeutta, jumalaton herkuttelee vääryydellä.
28Ny vavolombelona ratsy maniratsira ny fitsarana; Ary ny vavan'ny ratsy fanahy mitelina ny ratsy.Vonona ho amin'ny mpaniratsira ny fanamelohana, Ary ny kapoka ho amin'ny lamosin'ny adala.
29Röyhkeää odottaa rangaistus, tyhmyrin selkää raippa.
29Vonona ho amin'ny mpaniratsira ny fanamelohana, Ary ny kapoka ho amin'ny lamosin'ny adala.