Pyhä Raamattu

Malagasy

Proverbs

20

1Viinissä on rehentely, oluessa rettelö, päihtyneenä hoippuva on älyä vailla.
1Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azon'izany dia tsy hendry.
2Kuin leijonan ärjyntä on kuninkaan suuttumus, henkensä vaarantaa, joka hänet vihoittaa.
2Ny fampitahoran'ny mpanjaka dia toy ny fieron'ny liona tanora; Izay mampahatezitra azy dia mankahà-doza hihatra amin'ny ainy,
3Kunnia sille, joka riitansa sopii, hullu purkaa vihansa julki.
3Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady; Fa ny adala rehetra kosa misafoaka.
4Syksyllä laiska ei kynnä -- elopellolta hän palaa tyhjin käsin.
4Ny malaina tsy mety miasa amin'ny ririnina, Ka dia hangataka izy raha fararano, fa tsy hahazo.[Na: noho ny ririnina; na: noho ny haben'ny vokatra]
5Kuin syvä vesi on ihmisen sydän, mutta ymmärtäväinen sen luotaa.
5Rano lalina ny hevitra ao am-pon'ny olona; Fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany,
6Moni kuuluttaa omaa rehellisyyttään, mutta mistä löytyy todella luotettava mies?
6Maro ny olona samy midera ny soa ataon'ny tenany avy; Fa izay olo-mahatoky, iza moa no mahita azy?
7Vanhurskas se, joka nuhteettomasti elää, onnellisia ovat hänen lapsensakin.
7Izay olona marina mandeha amin'ny fahitsiany Sambatra ny zanany mandimby azy.
8Kun kuningas istuu tuomarinistuimellaan, hän pystyy näkemään, mikä on pahaa.
8Mipetraka eo amin'ny seza fitsarana ny mpanjaka, Ka mikororoka manaisotra ny ratsy rehetra ny masony.
9Kuka voi sanoa: "Olen puhdistanut sydämeni, kaikesta synnistä olen vapaa"?
9Iza no mahazo manao hoe: Efa nahadio ny foko aho Ka madio tsy manana ota?
10Kahtalainen paino, kahtalainen mitta, kumpaakin Herra kammoksuu.
10Ny vato mizana samy hafa sy ny vata famarana samy hafa Dia samy fahavetavetana eo imason'i Jehovah.
11Teoista näkee, mitä pojasta tulee, onko hänen elämänsä oikea ja puhdas.
11Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin'ny fanaony Na madio sy mahitsy ny fitondran-tenany.
12Korvat kuulemaan ja silmät näkemään, molemmat on Herra luonut.
12Ny sofina mandre sy ny maso mahita Dia samy nataon'i Jehovah avokoa.
13Älä pitkään nuku, ettet köyhdy, nouse varhain, niin syöt kylliksesi.
13Aza tia torimaso ianao, fandrao tonga malahelo; Ahirato ny masonao, dia ho voky hanina ianao.
14"Huonoa, perin huonoa", sanoo ostaja, tekee kaupat ja hykertelee käsiään.
14Ratsy! ratsy! hoy ny mpividy; Kanjo nony lasa izy, dia mandoka tena.
15Olkoon kultaa, olkoon helmiä, aarteista kallein on punnittu puhe.
15Ao ihany ny volamena sy ny voahangy betsaka; Fa ny molotra misy fahalalana no ravaka soa.[Na: perla]
16Jos joku vierasta takaa, ota häneltä viitta ja pidä se panttina vierasta varten.
16Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon'ny vahiny niantohany.[Na: vahiny janga]
17Makeaa on petoksella saatu leipä, mutta pian on suussa pelkkiä kiviä.
17Mamin'ny olona ny hanina azo amin'ny fitaka; Kanjo ho feno fasika ny vavany any am-parany.
18Harkinnalla hankkeet varmistetaan, tarkoin suunnitelmin sotaan mennään.
18Ny hevitra rehetra dia aorin'ny fisainana, Ary ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady.
19Juorukellolta salaisuus karkaa, suupaltin kanssa älä seurustele.
19Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina, Koa aza miraharaha amin'izay mibedibedy foana.
20Joka isäänsä ja äitiään kiroaa, sen lamppu sammuu yön pimeään.
20Izay manozona ny rainy na ny reniny, Dia ho faty ao amin'ny alim-pito ny jirony.
21Omaisuus, jota ahneesti haalitaan, ei lopulta ole siunaukseksi.
21Ny harena malaky azo foana eo am-boalohany Dia tsy hotahina any am-parany.[Na: mahamahimahina]
22Älä sano: "Minä maksan pahalla pahan", luota Herraan, hän puolustaa oikeuttasi.
22Aza manao hoe: Hamaly ny ratsy nataony aho; Fa andraso Jehovah, fa Izy no hamonjy anao.
23Kahtalaista punnusta Herra vihaa, väärä vaaka ei hänelle kelpaa.
23Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny vato samy hafa, Ary ny mizana mandainga dia tsy tsara.
24Herra ohjaa ihmisen askelet, kukapa arvaa tiensä suunnan?
24Avy amin'i Jehovah ny dian'ny olona, Ary hataon'izay olombelona ahoana no hahafantatra ny lalany?
25Älä harkitsematta lupaa pyhää lahjaa -- olet ansassa, jos lupaustasi kadut.
25Fandrika amin'ny olona ny malaky manao hoe: Zavatra masina ity; Ka nony vita ny voady, vao mamototra.
26Viisas kuningas viskaa joukosta jumalattomat, ajaa puimajyrällä heidän ylitseen.
26Ny mpanjaka hendry mikororoka manaisotra ny ratsy fanahy Sady mitarika ny kodia fivelezana eo amboniny.
27Ihmisen henki on Herran lamppu, se valaisee sydämen perimmät sopet.
27Jiron'i Jehovah ny fanahin'ny olona, Itsilovana ny efitrefitra rehetra ao am-po.
28Laupeus ja uskollisuus ovat kuninkaan turva, niillä hän vahvistaa valtansa.
28Famindram-po sy fahamarinana no miaro ny mpanjaka, Ary ampitoeriny amin'ny famindram-po ny seza fiandrianany.
29Nuorukaisten ylpeytenä on heidän voimansa, vanhusten kunniana harmaat hapset.
29Voninahitry ny zatovo ny fahatanjahany, Ary ravaky ny anti-panahy ny volo fotsy.Ny fampangirifiriana dia mahafaka ny faharatsiana, Ary ny kapoka mahadio ny efitrefitra ao an-kibo.[Heb. ratra avy amin'ny kapoaka]
30Ilkeä loukkaus iskee syvän haavan, viiltää sydämeen saakka.
30Ny fampangirifiriana dia mahafaka ny faharatsiana, Ary ny kapoka mahadio ny efitrefitra ao an-kibo.[Heb. ratra avy amin'ny kapoaka]