Pyhä Raamattu

Malagasy

Proverbs

21

1Kuin kastelupuro on Herran kädessä kuninkaan sydän, hän ohjaa sen minne tahtoo.
1Rano velona eo an-tànan'i Jehovah ny fon'ny mpanjaka, Ka tarihiny amin'izay tiany.
2Ihminen pitää oikeina kaikkia teitään, mutta Herra punnitsee sydämet.
2Ataon'ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo.
3Noudata oikeutta ja vanhurskautta, se on Herralle enemmän kuin teurasuhri.
3Ny hanao izay marina sy mahitsy No sitrak'i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà.
4Ylpeät silmät, pöyhkeä sydän -- jumalattoman lyhdyt synnin tiellä.
4Ny fiandranandran'ny maso sy ny fiavonavon'ny fo Izay jiron'ny ratsy fanahy dia ota.[Na: asan']
5Uutteruus ja harkinta tuo menestyksen, turha kiire vie köyhyyteen.
5Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; Fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany.
6Joka kokoaa omaisuutta valheen keinoin, se tuulta tavoittaa ja tuhonsa löytää.
6Ny fahazoan-karena amin'ny lela mandainga Dia fofonaina mihelina ho an'izay mitady fahafatesana.
7Omaan pahuuteensa jumalaton kaatuu, kun hän hylkää sen, mikä on oikein.
7Ny fitohatohan'ny ratsy fanahy hamongotra azy, Satria mandà tsy hanao izay marina izy.
8Syyllisen tie on mutkainen, kunnon ihminen on teoissaan suora.
8Miolikolika ny lalan'ny mavesa-keloka; Fa mahitsy ny ataon'ny madio.
9Parempi katolla taivasalla kuin talossa toraisan vaimon kanssa.
9Aleo mitoetra eo an-joron'ny tampon-trano Toy izay hiray trano amin'ny vehivavy tia ady.
10Jumalaton himoitsee pahaa, lähimpiäänkään hän ei säästä.
10Ny fanahin'ny ratsy fanahy maniry ny ratsy, Ka na dia ny havany aza tsy mahita fitia eo imasony.
11Rankaise rehentelijää, se on kokemattomille opiksi, opeta viisasta, ja hänen tietonsa kasvaa.
11Raha ampijalina ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary raha toroan-kevitra ny hendry, dia hahazo fahalalana izy.
12Oikein tekee oikeamielinen jumalattomille, hän syöksee tuhoon koko joukkion.
12Ny Iray Marina no mandinika ny tranon'ny ratsy fanahy Ka mamarina azy ho amin'ny loza.
13Joka sulkee korvansa köyhän pyynnöltä, joutuu itse pyytämään saamatta vastausta.
13Izay manentsin-tadiny amin'ny fitarainan'ny malahelo, Dia mba hitaraina kosa izy, fa tsy hohenoina.
14Salaa annettu lahja lepyttää vihan, poveen kätketty lahjus kiivaankin kiukun.
14Ny fanomezana mangingina mampionona ny fahatezerana, Ary ny kolikoly amin'ny takona mampitsahatra ny fahavinirana mafy.
15Oikea teko on oikeamielisen ilo mutta väärämielisen kauhistus.
15Fifalian'ny marina ny hanao araka ny rariny; Fa zava-mahatahotra ny mpanao ratsy kosa izany.
16Joka eksyy ymmärryksen tieltä, päätyy lopulta varjojen maahan.
16Ny olona izay mivily miala amin'ny lalan'ny fahendrena Dia hitoetra ao amin'ny fivorian'ny fanahin'ny maty.
17Ilonpitäjää odottavat ankeat ajat, juomari ja syömäri ei rikastu.
17Izay tia fanaranam-po dia olona halahelo, Eny, izay tia divay sy diloilo tsy mba hanan-karena.
18Jumalattoman ja hurskaan osat vaihtuvat: petollinen joutuu uskollisen lunnaaksi.
18Ny ratsy fanahy dia ho avotry ny marina, Ary ny mpivadika ho solon'ny mahitsy.
19Parempi asua autiomaassa kuin pahansisuisen vaimon kanssa.
19Aleo mitoetra any an-efitra Toy izay amin'ny vehivavy tia ady sady foizina.
20Viisaalla on varastossa kalleuksia ja herkkuja, tyhmä panee kaiken menemään.
20Harena mahafinaritra sy diloilo no ao amin'ny tranon'ny hendry; Fa ny adala mandany azy.
21Joka pyrkii oikeuteen ja laupeuteen, saa elämän, kunnian ja vanhurskauden.
21Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindram-po Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.
22Viisas mies valtaa vahvankin kaupungin ja repii sen muurit ja varustukset.
22Ny hendry mananika ny vohitry ny mahery Ka mandrodana ny fiarovana mafy izay itokiany.
23Joka suutaan ja kieltään varoo, varjelee itsensä ahdingoilta.
23Izay miambina ny vavany sy ny lelany Dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana.
24Rehentelijä saa herjaajan nimen, hänen röyhkeydellään ei ole mittaa eikä määrää.
24Izay mirehareha sy miavonavona no atao hoe mpaniratsira, Dia izay olona fatra-piavonavona.
25Omiin mielitekoihinsa laiska kuolee, kun kädet kieltäytyvät työnteosta.
25Ny fanirian'ny malaina hahafaty azy, Satria ny tànany tsy mety miasa tsinona;
26Ahne on aina ottamassa, vanhurskas antaa, ei kitsastele.
26Maniry fatratra mandritra ny andro izy; Fa ny marina kosa manome ka tsy mba mahihitra.
27Jumalattoman uhrilahja on iljettävä, vielä iljettävämpi, jos hän hautoo pahaa.
27Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana, Ka indrindra raha amin'ny sain-dratsy no itondrany azy.
28Väärän todistajan käy huonosti, tarkkaa todistajaa kuunnellaan aina.
28Ho faty ny vavolombelona mandainga; Fa izay mihaino dia hiteny mandrakariva.
29Jumalaton katsoo uhmakkaasti, vilpitön kulkee vakaasti tietään.
29Ny ratsy fanahy mampiseho ny fahasahisahiany amin'ny tarehiny; Fa ny marina kosa dia mihevitra izay halehany.
30Ei auta viisaus Herran edessä, ei ymmärrys, ei ihmisen harkinta.
30Tsy misy fahendrena, na fahalalana, Na fisainana mahaleo an'i Jehovah.Voaomana ny soavaly ho amin'ny andro iadiana; Fa an'i Jehovah ihany ny fandresena.
31Itse valjastat hevosesi taisteluun, mutta voitto on Herran kädessä.
31Voaomana ny soavaly ho amin'ny andro iadiana; Fa an'i Jehovah ihany ny fandresena.