Pyhä Raamattu

Malagasy

Proverbs

22

1Hyvä maine on rikkautta arvokkaampi, suosio parempi kuin kulta ja hopea.
1Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.
2Pane rikas ja köyhä vieretysten: kumpaisenkin on Herra luonut.
2Mihaona ny manan-karena sy ny malahelo; Fa Jehovah no Mpanao azy roa tonta.
3Kun onnettomuus uhkaa, viisas väistää, tyhmä kulkee kohti ja saa kolhut.
3Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
4Nöyryyden ja Herran pelon palkka on elämä, vauraus ja kunnia.
4Ny valin'ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an'i Jehovah Dia harena sy voninahitra ary fiainana.
5Okaita ja ansoja on väärämielisen tiellä -- karta sitä, jos elämäsi on sinulle kallis!
5Tsilo sy fandrika no amin'ny alehan'ny maditra; Fa izay te-hiaro ny ainy dia manalavitra izany.
6Ohjaa lapsi heti oikealle tielle, niin hän vanhanakaan ei siltä poikkea.
6Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany.
7Köyhä on rikkaan vallassa, velallisesta tulee velkojan orja.
7Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo, Ary izay misambotra dia mpanompon'ny mampisambotra.
8Joka vääryyttä kylvää, se tuhoa niittää, hänen sauvansa särkyy ja mahtinsa murtuu.
8Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana, Ary ho levona ny tsorakazon'ny fahatezerany.
9Siunattu se, jolla on hyvä sydän, hän antaa leivästään tarvitsevalle.
9Izay manana maso miantra hotahina, Satria anomezany ho an'ny malahelo ny haniny.
10Aja riitapukari pois, niin sopu palaa, tulee loppu torasta ja parjauksista.
10Roahy ny mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana, Eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka.
11Puhdassydämistä Jumala rakastaa, puheissaan taitavaa kuningas suosii.
11Izay tia fahadiovam-po, dia milaza soa ny molony. Sady sakaizan'ny mpanjaka izy.
12Herra suojelee totuutta ja tekee tyhjiksi petturien puheet.
12Ny mason'i Jehovah miaro ny manam-pahalalana; Fa ny tenin'ny mpivadika dia foanany.
13Laiska sanoo: "Ulkona on leijona, tappavat vielä minut keskellä katua."
13Hoy ny malaina: Misy liona any ivelany; Ho fatin'ny sasany any an-dalambe aho.
14Vieraan naisen suu on syvä hauta -- siihen putoaa se, jonka Herra kiroaa.
14Ny vavan'ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; Izay voaozon'i Jehovah no ho latsaka ao.[Heb. vehivavy tsy vadiny]
15Hulluus tarttuu helposti nuorukaiseen, mutta kunnon kuritus ajaa sen pois.
15Miraikitra amin'ny fon'ny zaza ny hadalana; Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.
16Joka köyhää sortaa ja rikasta lahjoo, ei siitä rikastu vaan köyhtyy.
16Izay mampahory ny malahelo dia mampitombo ny hareny; Fa izay manome ho an'ny manana kosa dia mampihena ny hareny.
17Kuuntele tarkoin, ota vastaan viisaiden sanat, avaa sydämesi tiedolle, jota jaan.
17[Ohabolana ny amin'ny fahamarinana sy ny fitondran-tenan'ny hendry] Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin'ny hendry, Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao;
18Teet hyvin, kun kätket sen sisimpääsi ja pidät sen valmiina huulillasi.
18Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao an-kibonao izany, Koa aoka samy ho eo amin'ny molotrao.
19Turvaa Herraan -- siksi minä sinulle puhun, siksi saatan tietoosi kaiken tämän.
19Hianao dia ianao no nampahafantariko izany, Mba hitokianao amin'i Jehovah.
20Kolmekymmentä ohjetta olen kirjoittanut sinulle neuvoksi ja opastukseksi,
20Tsy efa nanoratra zava-tsoa ho anao va aho, Izay misy hevitra tsara sy fahalalana,
21jotta oppisit totuutta, oikeita sanoja, ja voisit vakain sanoin vastata lähettäjällesi.
21Mba hampahafantariko ny fahamarinan'ny teny mahatoky ianao, Sy hahazoanao teny holazaina amin'izay naniraka anao?
22Älä riistä heikkoa hänen heikkoutensa vuoksi, älä sorra köyhää oikeudessa,
22Aza manosihosy ny malahelo, saingy malahelo izy; Ary aza dia manifakifa ny ory eo am-bavahady;
23sillä Herra ajaa hänen asiaansa ja riistää hengen hänen riistäjiltään.
23Fa Jehovah anie ka hisolo vava azy amin'ny adiny. Ary hanimba ny ain'izay manimba azy.
24Älä lyöttäydy kiivaan miehen seuraan, älä ryhdy äkkipikaisen kumppaniksi,
24Aza misakaiza amin'ny olona mora tezitra, Ary aza miara-dia amin'ny olona foizina,
25ettet tottuisi hänen teihinsä ja vaarantaisi omaakin vaellustasi.
25Fandrao ianao mianatra ny fanaony Ka mahazo fandrika ho an'ny ainao.
26Älä tee niiden tavoin, jotka lyövät kättä ja menevät veloista takuuseen.
26Aza mety ho isan'ny mifandray tanana, Na izay mianto-trosa;
27Ellei sinulla ole millä maksaa, viedään vuodekin altasi.
27Raha tsy manan-kaloa ianao, Nahoana no dia halainy ny lafika andrianao?
28Älä siirrä vanhaa rajapyykkiä, jonka esi-isäsi ovat paikalleen panneet.
28Aza manakisaka ny fari-tany ela, Izay naorin'ny razanao.Mahita olona mailaka amin'ny raharahany va ianao? Eo anatrehan'ny mpanjaka no hitsanganany, Fa tsy hitsangana eo anatrehan'ny olona ambany izy.
29Katsopa miestä, joka on toimissaan taitava: hänen tiensä vie kuninkaiden hoveihin, ei hän jää alhaisten palvelukseen.
29Mahita olona mailaka amin'ny raharahany va ianao? Eo anatrehan'ny mpanjaka no hitsanganany, Fa tsy hitsangana eo anatrehan'ny olona ambany izy.