1[Fiarahabana sy anatra ny amin'ny mpampianatra sandoka, ary filazana ny amin'ny lalàna sy ny filazantsara ary ny fahasoavan'Andriamanitra tamin'i Paoly] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy araka ny didin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy Kristy Jesosy fanantenantsika,
1問安奉我們的救主 神,和我們的盼望基督耶穌的命令,作基督耶穌使徒的保羅,
2mamangy an'i Timoty, tena zanako amin'ny finoana: fahasoavana, famindram-po, fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
2寫信給因信主而作我真兒子的提摩太。願恩惠、憐憫、平安從父 神和我們的主基督耶穌臨到你。
3Toy ny nangatahako anao hitoetra any Efesosy, rehefa hankany Makedonia aho, mba handidianao ny sasany tsy hanao fampianarana hafahafa,
3提防別的教義我往馬其頓去的時候,曾經勸你留在以弗所,為要囑咐某些人,不可傳別的教義,
4na hitandrina ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an'Andriamanitra amin'ny finoana, dia toy izany koa no ataoko ankehitriny.
4也不可沉迷於無稽之談和無窮的家譜;這些事只能引起爭論,對於 神在信仰上所定的計劃是毫無幫助的。
5Fa ny anton'ny didy dia fitiavana avy amin'ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy,
5這囑咐的目的是出於愛;這愛是發自純潔的心、無愧的良心和無偽的信心。
6izay nivilian'ny sasany, ka nania ho amin'ny taria foana izy,
6有些人偏離了這些,就轉向無意義的辯論,
7dia olona izay te-ho mpampiana-dalàna, kanefa tsy fantany akory izay lazainy na izay itompoany.
7想要作律法教師,卻不明白自己講的是甚麼,主張的又是甚麼。
8Nefa fantatsika fa tsara ny lalàna, raha entin'ny olona araka izay antony,
8我們知道律法是好的,只要應用得恰當。
9ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra an'Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona,
9要知道律法本來不是為義人設立的,而是為那些無法無天和放蕩不羈的、不敬虔和犯罪的、不聖潔和世俗的、弒父母和殺人的、
10ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema, [ Gr. salama]
10淫亂的、親男色的、拐帶人口的、說謊話的、發假誓的,以及為其他抵擋純正教訓的人設立的。
11araka ny filazantsaran'ny voninahitr'Andriamanitra finaritra, izay natolotra ho adidiko.
11這是照著可稱頌的、榮耀的 神所交託我的福音說的。
12Misaotra an'i Kristy Jesosy Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin'ny fanompoana,
12基督耶穌降世為要拯救罪人我感謝那賜我能力的、我們的主基督耶穌,因為他認為我有忠心,派我服事他。
13dia izaho, izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindram-po aho, satria tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovako izany noho ny tsi-finoana. [ Gr. mpanao blasfemia; izahao Mat. 9,3]
13我從前是褻瀆 神的、迫害人的、凌辱人的,然而我還蒙了憐憫,因為我是在不信的時候,由於無知而作的。
14Fa be indrindra ny fahasoavan'ny Tompontsika tamin'ny finoana sy ny fitiavana, izay ao amin'i Kristy Jesosy.
14我們主的恩典,隨著在基督耶穌裡的信心和愛心,在我身上越發增加。
15Mahatoky ka tokony hekena amin'ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tetỳ ambonin'ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin'ireny izaho no lohany.
15“基督耶穌降世,為要拯救罪人。”這話是可信的,是值得完全接納的。在罪人中我是個罪魁。
16Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon'i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an'izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay.
16可是,我竟然蒙了憐憫,好讓基督耶穌在我這個罪魁身上,顯明他完全的忍耐,給後來信他得永生的人作榜樣。
17Ary ho an'ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an'Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
17但願尊貴榮耀歸給萬世的君王,就是那不朽壞、人不能見、獨一的 神,直到永永遠遠。阿們。
18Izao didy izao no omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao ireo, mba ho entinao miady ny ady tsara ireo,
18我兒提摩太啊!我照著從前關於你的預言,把這命令交託你,為的是要叫你藉著這些預言打那美好的仗。
19amin'ny itananao ny finoana sy ny fieritreretana tsara, izay efa narian'ny sasany, ka toy ny olona vaky sambo izy ny amin'ny finoana;naman'ireny Hymeneo sy Aleksandro, izay natolotro ho an'i Satana mba hofaizana tsy hiteny ratsy. [ Gr. hanao blasfemia, izahao Mat. 9,3]
19常常存著信心和無愧的良心。有些人丟棄良心,就在信仰上失落了。
20naman'ireny Hymeneo sy Aleksandro, izay natolotro ho an'i Satana mba hofaizana tsy hiteny ratsy. [ Gr. hanao blasfemia, izahao Mat. 9,3]
20他們當中有許米乃和亞歷山大,我已經把他們交給撒但,使他們受管教不再褻瀆。