1Koa esory ny lolompo rehetra sy ny ny fihatsaram-belatsihy sy ny fialonana ary ny fanaratsiana rehetra,
1Having put aside, then, all evil, and all guile, and hypocrisies, and envyings, and all evil speakings,
2fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin'izany ho amin'ny famonjena,
2as new-born babes the word`s pure milk desire ye, that in it ye may grow,
3raha tàhiny "nanandrana ianareo fa tsara ny Tompo;"
3if so be ye did taste that the Lord [is] gracious,
4Izay hatoninareo toy ny vato velona, "nolavin'ny olona, fa voafidin'Andriamanitra sady soa,"
4to whom coming — a living stone — by men, indeed, having been disapproved of, but with God choice, precious,
5ka dia atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
5and ye yourselves, as living stones, are built up, a spiritual house, a holy priesthood, to offer up spiritual sacrifices acceptable to God through Jesus Christ.
6Fa misy teny ao amin'ny Soratra Masina manao hoe: "Indro, mametraka fehizoro ao Ziona Aho, dia vato voafidy sady tsara; Ary izay mino Azy tsy ho menatra" (Isa. 28.16).
6Wherefore, also, it is contained in the Writing: `Lo, I lay in Zion a chief corner-stone, choice, precious, and he who is believing on him may not be put to shame;`
7Koa ny fahatsarana dia ho anareo izay mino; fa amin'izay tsy mino kosa "Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano No efa tonga fehizoro" (Sal. 118.22),
7to you, then, who are believing [is] the preciousness; and to the unbelieving, a stone that the builders disapproved of, this one did become for the head of a corner,
8"Ary vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka" (Isa 8.14); ary satria tsy nanaiky ireo, dia tafintohina tamin'ny teny izy, sady izany koa no nanendrena azy.
8and a stone of stumbling and a rock of offence — who are stumbling at the word, being unbelieving, — to which also they were set;
9Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina" (Eks. 19.6), olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga;
9and ye [are] a choice race, a royal priesthood, a holy nation, a people acquired, that the excellences ye may shew forth of Him who out of darkness did call you to His wondrous light;
10dia ianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon'Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo (Hos. 2.25).
10who [were] once not a people, and [are] now the people of God; who had not found kindness, and now have found kindness.
11[Fananarana hamporisika mba hadio fitondran-tena amin'ny olona rehetra, ary filazana ny mety hataon'ny mpianakavy] Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan'ny nofo, fa miady amin'ny fanahy ireny;
11Beloved, I call upon [you], as strangers and sojourners, to keep from the fleshly desires, that war against the soul,
12ary aoka ho tsara ny fitondran-tenanareo eo amin'ny jentilisa, mba hankalazany an'Andriamanitra amin'ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.
12having your behaviour among the nations right, that in that which they speak against you as evil-doers, of the good works having beheld, they may glorify God in a day of inspection.
13Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin'ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy,
13Be subject, then, to every human creation, because of the Lord, whether to a king, as the highest,
14na ny mpanapaka, satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara.
14whether to governors, as to those sent through him, for punishment, indeed, of evil-doers, and a praise of those doing good;
15Fa toy izany no sitrapon'Andriamanitra, hampanginanareo ny tsi-fahalalan'ny olona adala amin'ny fanaovan-tsoa;
15because, so is the will of God, doing good, to put to silence the ignorance of the foolish men;
16fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon Andriamanitra.
16as free, and not having the freedom as the cloak of the evil, but as servants of God;
17Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an'Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka.
17to all give ye honour; the brotherhood love ye; God fear ye; the king honour ye.
18Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin'ny fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa.
18The domestics! be subjecting yourselves in all fear to the masters, not only to the good and gentle, but also to the cross;
19Fa izao no ankasitrahana: raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra ny tsy marina noho ny fieritreretana ny amin'Andriamanitra.
19for this [is] gracious, if because of conscience toward God any one doth endure sorrows, suffering unrighteously;
20Fa inona no laza, raha tàhiny kapohina noho ny fahadisoana ianareo ka mandefitra amin'izany? Fa raha tàhiny manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak'Andriamanitra.
20for what renown [is it], if sinning and being buffeted, ye do endure [it]? but if, doing good and suffering [for it], ye do endure, this [is] gracious with God,
21Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany;
21for to this ye were called, because Christ also did suffer for you, leaving to you an example, that ye may follow his steps,
22"Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany" (Isa. 53.9);
22who did not commit sin, nor was guile found in his mouth,
23raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin'ny Mpitsara marina; [ Na: ny tenany]
23who being reviled — was not reviling again, suffering — was not threatening, and was committing himself to Him who is judging righteously,
24ary Izy nitondra ny fahotantsika (Isa. 53. 12) tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary "ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo" (Isa. 53.5).Fa efa nania toy ny ondry ianareo (Isa. 53.6), nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin'ny Mpiandry sy Mpitandrina ny fanahinareo.[ Gr. Episkopo]
24who our sins himself did bear in his body, upon the tree, that to the sins having died, to the righteousness we may live; by whose stripes ye were healed,
25Fa efa nania toy ny ondry ianareo (Isa. 53.6), nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin'ny Mpiandry sy Mpitandrina ny fanahinareo.[ Gr. Episkopo]
25for ye were as sheep going astray, but ye turned back now to the shepherd and overseer of your souls.