1[Fahatokiana an'Andriamanitra sy fanantenana ny heriny haharesy ny fahavalo] Tonon-kira. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko; Ny fanahiko no hihira sy hankalaza.[Heb. ny voninahitro]
1A Song, a Psalm of David. Prepared is my heart, O God, I sing, yea, I sing praise, also my honour.
2Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho. [Na: hampifoha ny maraina aho]
2Awake, psaltery and harp, I awake the dawn.
3Hidera Anao eny amin'ny firenena maro aho, Jehovah ô, Ary hankalaza Anao eny amin'ny jentilisa.
3I thank Thee among peoples, O Jehovah, And I praise Thee among the nations.
4Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindram-ponao; Ary mipaka eny amin'ny rahona ny fahamarinanao.
4For great above the heavens [is] Thy kindness, And unto the clouds Thy truth.
5Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; Ary aoka ho etỳ ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.
5Be Thou exalted above the heavens, O God, And above all the earth Thy honour.
6Mba hahafaka ny malalanao, Dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio.
6That Thy beloved ones may be delivered, Save [with] Thy right hand, and answer us.
7Andriamanitra niteny tamin'ny fahamasinany hoe: Hifaly Aho ka hizara an'i Sekema, Ary ny lohasahan'i Sokota horefesiko;
7God hath spoken in His holiness: I exult, I apportion Shechem, And the valley of Succoth I measure,
8Ahy Gileada, Ahy Manase; Ary aron'ny lohako Efraima; Tehim-panjakako Joda;
8Mine [is] Gilead, mine [is] Manasseh, And Ephraim [is] the strength of my head, Judah [is] my lawgiver,
9Tavindranoko fanasana Moaba; Edoma no hanipazako ny kapako; noho ny amin'i Filistia ho hihobiako.
9Moab [is] a pot for my washing, Upon Edom I cast my shoe, Over Philistia I shout habitually.
10Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? Iza no hitarika ahy ho any Edoma?
10Who doth bring me in to the fenced city? Who hath led me unto Edom?
11Tsy Hianao va no efa nanary anay, Andriamanitra ô, Sady tsy mivoaka miaraka amin'ny miaramilanay, Andriamanitra ô?
11Hast not Thou, O God, cast us off? And Thou goest not out, O God, with our hosts!
12Vonjeo amin'ny fahavalo izahay; Fa zava-poana ny famonjena ataon'ny olona.Andriamanitra no haharezan-tsika; Fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
12Give to us help from adversity, And vain is the salvation of man.
13Andriamanitra no haharezan-tsika; Fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
13In God we do mightily, And He doth tread down our adversaries!