Malagasy

Young`s Literal Translation

Psalms

115

1[Fampitahana an'Andriamanitry ny Isiraely sy ny sampin'ny Jentilisa] Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao.
1Not to us, O Jehovah, not to us, But to Thy name give honour, For Thy kindness, for Thy truth.
2Nahoana ny jentilisa no manao hoe: Aiza izay Andriamaniny?
2Why do the nations say, `Where, pray, [is] their God.
3Nefa any an-danitra Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.
3And our God [is] in the heavens, All that He hath pleased He hath done.
4Volafotsy sy volamena ny sampin'ireny, Asan'ny tanan'olona:
4Their idols [are] silver and gold, work of man`s hands,
5Manam-bava izy. fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;
5A mouth they have, and they speak not, Eyes they have, and they see not,
6Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Manana orona izy, fa tsy manimbolo:
6Ears they have, and they hear not, A nose they have, and they smell not,
7Manan-tanana izy, fa tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny tendany.
7Their hands, but they handle not, Their feet, and they walk not;
8Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
8Nor do they mutter through their throat, Like them are their makers, Every one who is trusting in them.
9Ry Isiraely ô, matokia an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
9O Israel, trust in Jehovah, `Their help and their shield [is] He.`
10Ry taranak'i Arona ô, matokia an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
10O house of Aaron, trust in Jehovah, `Their help and their shield [is] He.`
11Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, matokia an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
11Ye fearing Jehovah, trust in Jehovah, `Their help and their shield [is] He.`
12Jehovah mahatsiaro ka mitahy antsika; Hitahy ny taranak'i Isiraely Izy; Hitahy ny taranak'i Arona Izy;
12Jehovah hath remembered us, He blesseth, He blesseth the house of Israel, He blesseth the house of Aaron,
13Hotahiny izay matahotra an'i Jehovah, Na ny kely na ny lehibe.
13He blesseth those fearing Jehovah, The small with the great.
14Jehovah anie hampitombo anareo, Dia ianareo mbamin'ny zanakareo.
14Jehovah addeth to you, to you, and to your sons.
15Hitahy anareo anie Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
15Blessed [are] ye of Jehovah, maker of heaven and earth,
16Ny lanitra dia an'i Jehovah: fa ny tany nomeny ho an'ny zanak'olombelona.
16The heavens — the heavens [are] Jehovah`s, And the earth He hath given to sons of men,
17Ny maty tsy mba hidera an'i Jehovah. Na izay midina any amin'ny mangingina;Fa izahay hisaotra an'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay. Haleloia.
17The dead praise not Jah, Nor any going down to silence.
18Fa izahay hisaotra an'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay. Haleloia.
18And we, we bless Jah, From henceforth, and unto the age. Praise ye Jah!