Malagasy

French 1910

Job

40

1[Ny naneken'i Joba ny fahadisoan-keviny, sy ny navalin'i Jehovah azy] Ary Jehovah mbola namaly an'i Joba nanao hoe:
1L'Eternel, s'adressant à Job, dit:
2Hiady amin'ny Tsitoha va io mpanadidy Azy io? Aoka ny mananatra an'Andriamanitra no hamaly!
2Celui qui dispute contre le Tout-Puissant est-il convaincu? Celui qui conteste avec Dieu a-t-il une réplique à faire?
3Ary Joba dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe:
3Job répondit à l'Eternel et dit:
4Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao.
4Voici, je suis trop peu de chose; que te répliquerais-je? Je mets la main sur ma bouche.
5Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony; Eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho.
5J'ai parlé une fois, je ne répondrai plus; Deux fois, je n'ajouterai rien.
6Dia namaly an'i Joba teo amin'ny tafio-drivotra Jehovah ka nanao hoe:
6L'Eternel répondit à Job du milieu de la tempête et dit:
7Misikina tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka ampahafantaro Aho:
7Ceins tes reins comme un vaillant homme; Je t'interrogerai, et tu m'instruiras.
8Hanaisotra ny rariny amiko va ianao? Hanameloka Ahy va ianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?
8Anéantiras-tu jusqu'à ma justice? Me condamneras-tu pour te donner droit?
9Manan-tsandry tahaka ny an'Andriamanitra va ianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao?
9As-tu un bras comme celui de Dieu, Une voix tonnante comme la sienne?
10Miravaha fahalehibiazana sy tabiha ianao, ary mitafia famirapiratana sy voninahitra;
10Orne-toi de magnificence et de grandeur, Revêts-toi de splendeur et de gloire!
11Alefaso ny fahatezeranao mirehitra; Ary jereo ny avonavona rehetra, ka ampietreo.
11Répands les flots de ta colère, Et d'un regard abaisse les hautains!
12Eny, jereo ny avonavona rehetra, ka aongàny; Ary apotrahy eo amin'ny fitoerany ihany ny ratsy fanahy.
12D'un regard humilie les hautains, Ecrase sur place les méchants,
13Asitriho ao amin'ny vovoka avokoa izy rehetra; Sarony ao amin'ny fiafenana ny tavany.
13Cache-les tous ensemble dans la poussière, Enferme leur front dans les ténèbres!
14Fa Izaho kosa dia hidera anao, Satria mahavonjy anao ny tananao ankavanana.
14Alors je rends hommage A la puissance de ta droite.
15He! jereo ange ny behemota, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany: Mihinana ahitra tahaka ny omby izy.[hipopotamosy][Na: ho eo aminao]
15Voici l'hippopotame, à qui j'ai donné la vie comme à toi! Il mange de l'herbe comme le boeuf.
16Indro, eo amin'ny valahany ny heriny, ary eo amin'ny ozatra amin'ny kibony ny tanjany.
16Le voici! Sa force est dans ses reins, Et sa vigueur dans les muscles de son ventre;
17Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin'ny feny
17Il plie sa queue aussi ferme qu'un cèdre; Les nerfs de ses cuisses sont entrelacés;
18Ny taolany dia tahaka ny fantsom-barahina, eny, tahaka ny anja-by ny taolany.
18Ses os sont des tubes d'airain, Ses membres sont comme des barres de fer.
19Voalohany amin'ny asan'Andriamanitra izy; Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy.[Heb. lalan']
19Il est la première des oeuvres de Dieu; Celui qui l'a fait l'a pourvu d'un glaive.
20Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra, izay ilalaovan'ny bibi-dia rehetra;
20Il trouve sa pâture dans les montagnes, Où se jouent toutes les bêtes des champs.
21Eo ambanin'ny hazo lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy fotaka.
21Il se couche sous les lotus, Au milieu des roseaux et des marécages;
22Manalokaloka azy ny hazo lota; Ary ny hazomalahelo eny amoron'ny ony no manodidina azy
22Les lotus le couvrent de leur ombre, Les saules du torrent l'environnent.
23Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana amin'ny vavany aza.
23Que le fleuve vienne à déborder, il ne s'enfuit pas: Que le Jourdain se précipite dans sa gueule, il reste calme.
24Moa misy mahasambotra azy va, raha mihiratra ny masony? Raha azon'ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va?
24Est-ce à force ouverte qu'on pourra le saisir? Est-ce au moyen de filets qu'on lui percera le nez?
25Mahasarika ny mamba amin'ny farango va ianao, na mahafatotra ny lelany amin'ny mahazaka?[Heb. leviatana]
26Mahisy tady zozoro amin'ny orony va ianao, na mahaboroaka ny valanoranony amin'ny fintana?
27Hifon-jato amin'arivo aminao va izy, na hanao teny malefaka aminao?
28Hanao fanekena aminao va izy? Azonao alaina ho andevonao mandrakizay va izy?
29Hilalao azy tahaka ny filalao voron-kely va ianao? Ary hamatotra azy ho an'ny zazavavy ao aminao va ianao?
30Hataon'ny mpaka hazandrano varotra va izy, ka hotsinjarainy amin'ny mpandranto?
31Mahafeno lefom-pohy ny hodiny va ianao, na firombaka amin'ny lohany?Atehefo aminy ange ny tananao; Raha tsaroanao ny ady, dia tsy hanindroa intsony ianao.
32Atehefo aminy ange ny tananao; Raha tsaroanao ny ady, dia tsy hanindroa intsony ianao.