Malagasy

Italian: Riveduta Bible (1927)

Job

14

1Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.
1L’uomo, nato di donna, vive pochi giorni, e sazio d’affanni.
2Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.[Na: malazo]
2Spunta come un fiore, poi è reciso; fugge come un’ombra, e non dura.
3kanefa amin'izay toy izany foana no ampihiratanao ny masonao? ka dia izay izaho avy no entinao hifandahatra aminao amin'ny fitsarana![Na: fitsaranao]
3E sopra un essere così, tu tieni gli occhi aperti! e mi fai comparir teco in giudizio!
4Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza.
4Chi può trarre una cosa pura da una impura? Nessuno.
5Raha voafetra ny androny, ary voatendrinao ny isan'ny volana iainany, ary asianao fefy tsy azony ihoarana,
5Giacché i suoi giorni son fissati, e il numero de’ suoi mesi dipende da te, e tu gli hai posto un termine ch’egli non può varcare,
6Dia mihodina tsy hanatrika azy Hianao, mba hitsaharany, ka hifaliany amin'ny androny toy ny mpikarama.[Na: hotaperany]
6storna da lui lo sguardo, sì ch’egli abbia un po’ di requie, e possa godere come un operaio la fine della sua giornata.
7Fa azo antenaina ny hazo, satria na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, ka tsy maintsy hisy ny solofony;
7Per l’albero, almeno c’è speranza; se è tagliato, rigermoglia e continua a metter rampolli.
8Na dia efa tonga antitra ao amin'ny tany aza ny fakany, ary maty ao amin'ny vovoka ny fotony,
8Quando la sua radice è invecchiata sotto terra, e il suo tronco muore nel suolo,
9Raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray. Ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena.
9a sentir l’acqua, rinverdisce e mette rami come una pianta nuova.
10Fa ny olona kosa maty ka miampatra; Eny, miala aina ny olona, ary aiza izy?
10Ma l’uomo muore e perde ogni forza; il mortale spira e… dov’è egli?
11Ny rano miala eo amin'ny kamory, ary ny ony mihena ka ritra,
11Le acque del lago se ne vanno, il fiume vien meno e si prosciuga;
12Ary toy izany koa ny olona; mandry izy ka tsy hitsangana intsony; Eny, mandra-paha-tsy hisian'ny lanitra dia tsy hahatsiaro izy na hofohazina amin'ny torimasony.
12così l’uomo giace, e non risorge più; finché non vi sian più cieli, ei non si risveglierà né sarà più destato dal suo sonno.
13Enga anie ka hanafina ahy any amin'ny fiainan-tsi-hita Hianao Ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr'andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy [Heb. Sheola]
13Oh, volessi tu nascondermi nel soggiorno de’ morti, tenermi occulto finché l’ira tua sia passata, fissarmi un termine, e poi ricordarti di me!…
14Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan'ny fahafahako.[Na: fiovako]
14Se l’uomo, dopo morto, potesse ritornare in vita, aspetterei tutti i giorni della mia fazione, finché giungesse l’ora del mio cambio;
15Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan'ny tananao Hianao.
15tu mi chiameresti e io risponderei, tu brameresti rivedere l’opera delle tue mani.
16Fa ankehitriny manisa ny diako Hianao; Tsy mitsikilo ny fahotako va Hianao?
16Ma ora tu conti i miei passi, tu osservi i miei peccati;
17Efa voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako; Ary voazaitranao ny heloko.
17le mie trasgressioni sono sigillate in un sacco, e alle mie iniquità, altre ne aggiungi.
18Kanefa na dia ny tendrombohitra aza, raha mianjera, dia mihalevona; Ary ny vatolampy dia afindra hiala amin'ny fitoerany;
18La montagna frana e scompare, la rupe e divelta dal suo luogo,
19Lanin'ny rano ny vato; ary indaosin'ny riaka ny vovo-tany: Toy izany no fanimbanao ny fanantenan'ny zanak'olombelona.
19le acque rodono la pietra, le loro inondazioni trascinan via la terra: così tu distruggi la speranza dell’uomo.
20Mandresy azy ho mandrakizay Hianao, ka lasa izy; Manova ny tarehiny Hianao ka mampandeha azy.
20Tu lo sopraffai una volta per sempre, ed egli se ne va; gli muti il sembiante, e lo mandi via.
21Omem-boninahitra ny zanany nefa tsy fantany; Ary mietry ireo, nefa tsy hitany.Ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampanaintaina azy, ary ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampalahelo ny fanahiny.
21Se i suoi figliuoli salgono in onore, egli lo ignora; se vengono in dispregio, ei non lo vede;
22Ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampanaintaina azy, ary ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampalahelo ny fanahiny.
22questo solo sente: che il suo corpo soffre, che l’anima sua è in lutto".