Malagasy

Italian: Riveduta Bible (1927)

Job

21

1[Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
1Allora Giobbe rispose e disse:
2Mihainoa dia mihainoa ny teniko, Ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy.
2"Porgete bene ascolto alle mie parole, e sia questa la consolazione che mi date.
3Mandefera amiko ianareo, fa mba hiteny kosa aho izao; Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalatsà ihany indray ianareo.
3Sopportatemi, lasciate ch’io parli, e quando avrò parlato tu mi potrai deridere.
4Raha ny amiko, moa ny ataon'ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny fanahiko?
4Mi lagno io forse d’un uomo? E come farei a non perder la pazienza?
5Jereo aho, dia aoka ho talanjona ianareo, ary mitampena vava.
5Guardatemi, stupite, e mettetevi la mano sulla bocca.
6Eny, raha mahatsiaro izany aho, dia raiki-tahotra, sady toran-kovitra ny tenako:
6Quando ci penso, ne sono smarrito, e la mia carne e presa da raccapriccio.
7Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery?
7Perché mai vivono gli empi? Perché arrivano alla vecchiaia ed anche crescon di forze?
8Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany, ary ny zafiny eo anoloany.
8La loro progenie prospera, sotto ai loro sguardi, intorno ad essi, e i lor rampolli fioriscon sotto gli occhi loro.
9Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, ary ny tsorakazon'Andriamanitra tsy mamely azy.
9La loro casa è in pace, al sicuro da spaventi, e la verga di Dio non li colpisce.
10Ny ombilahiny mampiteraka ka mahavanona; Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra.
10Il loro toro monta e non falla, la loro vacca figlia senz’abortire.
11Mamoaka ny zanany madinika toy ny ondry aman'osy izy, ka mikoriana ny zanany.
11Mandan fuori come un gregge i loro piccini, e i loro figliuoli saltano e ballano.
12Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy ary mifaly amin'ny feon-tsodina.
12Cantano a suon di timpano e di cetra, e si rallegrano al suon della zampogna.
13Mandany ny androny amin'ny fahafinaretana izy; Amin'ny indray mipi-maso monja no idinany any amin'ny fiainan-tsi-hita.[Heb. Sheola]
13Passano felici i loro giorni, poi scendono in un attimo nel soggiorno dei morti.
14Kanefa anie ireo no manao amin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao.
14Eppure, diceano a Dio: "Ritirati da noi! Noi non ci curiamo di conoscer le tue vie!
15Zinona izay Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy?
15Che è l’Onnipotente perché lo serviamo? che guadagneremo a pregarlo?"
16Indro, tsy avy amin'ny tenany ihany ny fahafinaretany! Ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy![Heb. tsy eo an-tànany]
16Ecco, non hanno essi in mano la loro felicita? (lungi da me il consiglio degli empi!)
17Indraindray foana no mba maty ny jiron'ny ratsy fanahy, sy tonga ny loza manjo azy. Ary amelaran'Andriamanitra fandrika ireny noho ny fahatezerany,[Na: izaran'Andriamanitra fahoriana ho an'ireny]
17Quando avvien mai che la lucerna degli empi si spenga, che piombi loro addosso la ruina, e che Dio, nella sua ira, li retribuisca di pene?
18Ka tonga tahaka ny mololo voatetika indaosin'ny rivotra izy sy tahaka ny akofa entin'ny tafio-drivotra.
18Quando son essi mai come paglia al vento, come pula portata via dall’uragano?
19Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helodrainy! Tsia; fa ny tenan'ireny ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany.
19"Iddio", mi dite, "serba castigo pei figli dell’empio". Ma punisca lui stesso! che lo senta lui,
20Aoka ny masony ihany no hahita ny loza manjo azy, ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran'ny Tsitoha.
20che vegga con gli occhi propri la sua ruina, e beva egli stesso l’ira dell’Onnipotente!
21Fa mampaninona azy moa ny amin'ny taranany mandimby azy, raha tapaka ny isan'ny androny?
21E che importa all’empio della sua famiglia dopo di lui, quando il numero dei suoi mesi e ormai compiuto?
22Moa Andriamanitra va no hampianarim-pahalalana, nefa Izy no mitsara ny any an-danitra aza? [Heb. avo]
22S’insegnerà forse a Dio la scienza? a lui che giudica quelli di lassù?
23Maty ny anankiray, raha tsy mbola mihena ny fahatanjahany, sady miadana tokoa ka tsy manana ahiahy;
23L’uno muore in mezzo al suo benessere, quand’è pienamente tranquillo e felice,
24Feno ronono ny fitoeran-drononony, ary vonton-tsoka ny taolany.[Na: Manotraka ny kibony]
24ha i secchi pieni di latte, e fresco il midollo dell’ossa.
25Ary ny anankiray maty amin'ny fahorian'ny fanahiny kosa ka tsy mba nanandrana soa akory.
25L’altro muore con l’amarezza nell’anima, senz’aver mai gustato il bene.
26Samy mandry ao amin'ny vovoka izy roa tonta, ka feno olitra ny tenany.
26Ambedue giacciono ugualmente nella polvere, e i vermi li ricoprono.
27Indro, fantatro ny hevitrareo sy ny saim-petsy amelezanareo ahy;
27Ah! li conosco i vostri pensieri, e i piani che formate per abbattermi!
28Fa hoy ianareo: Aiza ny tranon'ny mpitohatoha? Ary aiza ny lay fitoeran'ny ratsy fanahy? [Na: Manotraka ny kibony]
28Voi dite: "E dov’è la casa del prepotente? dov’è la tenda che albergava gli empi?"
29Kanefa tsy mba nanontany tamin'ny mpandeha amin'ny tany lavitra va ianareo? Ary tsy heverinareo va ny zava-mahagaga, ambaran'Ireo hoe: [Heb. famantarana]
29Non avete dunque interrogato quelli che hanno viaggiato? Voi non vorrete negare quello che attestano;
30Amin'ny andro hahitan-doza dia voaaro ihany ny ratsy fanahy, ary amin'ny andro fahatezerana dia enti-miala izy?
30che, cioè, il malvagio è risparmiato nel dì della ruina, che nel giorno dell’ira egli sfugge.
31Iza no hanambara ny lalany eo anatrehany? Ary raha misy zavatra nataony, iza no sahy hamaly azy? [Na: Azy]
31Chi gli rimprovera in faccia la sua condotta? Chi gli rende quel che ha fatto?
32Ary ho entina ho eny an-tany fandevonana izy ka mbola hitazana ao am-pasana;[Na: mbola misy miambina]
32Egli è portato alla sepoltura con onore, e veglia egli stesso sulla sua tomba.
33Ho mamy aminy ny bainga any an-dohasaha, ary ny olona rehetra hanaraka azy, toy ny nandehanan'ny maro tany alohany.Endrey! ity ianareo mba mampionona ahy foana! Ary ny famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia lainga ihany!
33Lievi sono a lui le zolle della valle; dopo, tutta la gente segue le sue orme; e, anche prima, una folla immensa fu come lui.
34Endrey! ity ianareo mba mampionona ahy foana! Ary ny famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia lainga ihany!
34Perché dunque m’offrite consolazioni vane? Delle vostre risposte altro non resta che falsità".