1[Ohabolana samy hafa ny amin'ny fitondran-tena sy ny toetry ny olona marina] Izao koa no ohabolan'i Solomona, izay nangonin'ny olon'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda:[Heb. nafindran']
1Ecco altri proverbi di Salomone, raccolti dalla gente di Ezechia, re di Giuda.
2Voninahitr'Andriamanitra ny manafin-javatra; Fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mamanta-javatra.
2E’ gloria di Dio nascondere le cose; ma la gloria dei re sta nell’investigarle.
3Ny hahavon'ny lanitra sy ny halalin'ny tany Ary ny fon'ny mpanjaka dia samy tsy azo fantarina avokoa.
3L’altezza del cielo, la profondità della terra e il cuore dei re non si possono investigare.
4Esory ny taim-bolafotsy, Dia hisy fanaka ho an'ny mpanao an-idina.
4Togli dall’argento le scorie, e ne uscirà un vaso per l’artefice;
5Esory ny ratsy fanahy tsy ho eo anatrehan'ny mpanjaka, Dia hampitoerina amin'ny fahamarinana ny seza fiandrianany.
5togli l’empio dalla presenza del re, e il suo trono sarà reso stabile dalla giustizia.
6Aza manandra-tena eo anatrehan'ny mpanjaka, Ary aza mitoetra eo amin'ny fitoeran'ny lehibe;
6Non fare il vanaglorioso in presenza del re, e non ti porre nel luogo dei grandi;
7Fa aleo ianao hantsoina hoe: Miakara atỳ, Toy izay hatambotsotra eo imason'ny manan-kaja izay hitan'ny masonao.
7poiché è meglio ti sia detto: "Sali qui", anziché essere abbassato davanti al principe che gli occhi tuoi hanno veduto.
8Aza maika handeha hiady, Fandrao tsy ho fantatrao izay hataonao amin'ny farany, Rehefa omen'ny namanao henatra ianao.
8Non t’affrettare a intentar processi, che alla fine tu non sappia che fare, quando il tuo prossimo t’avrà svergognato.
9Miadia ihany ny adinao amin'ny namanao, Kanefa aza aseho izay tsy tian'ny sasany holazaina,
9Difendi la tua causa contro il tuo prossimo, ma non rivelare il segreto d’un altro,
10Fandrao izay mandre hanondro maso anao, Ka tsy ho afaka aminao ny laza ratsy.
10onde chi t’ode non t’abbia a vituperare, e la tua infamia non si cancelli più.
11Ny teny atao amin'ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.[Na: poma volamena misy ravaka volafotsy]
11Le parole dette a tempo son come pomi d’oro in vasi d’argento cesellato.
12Kavim-bolamena sy firavaka volamena tsara Ny mpananatra hendry, raha amin'ny sofina mihaino.
12Per un orecchio docile, chi riprende con saviezza è un anello d’oro, un ornamento d’oro fino.
13Toy ny hatsiaky ny oram-panala amin'ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny iraka mahatoky amin'izay naniraka azy, Fa mamelombelona ny fon'ny tompony izy.
13Il messaggero fedele, per quelli che lo mandano, è come il fresco della neve al tempo della mèsse; esso ristora l’anima del suo padrone.
14Toy ny rahona sy ny rivotra tsy misy orana Ny olona izay mirehaka amin'ny fizaram-bava.
14Nuvole e vento, ma punta pioggia; ecco l’uomo che si vanta falsamente della sua liberalità.
15Ny fahari-po no ahazoana mampanaiky ny mpitsara, Ary ny vava malefaka mahatapa-taolana.[(Heb. lela]
15Con la pazienza si piega un principe, e la lingua dolce spezza dell’ossa.
16Mahita tantely va ianao? Hano izay antonona anao, Fandrao voky loatra ianao ka handoa azy.
16Se trovi del miele, mangiane quanto ti basta; che, satollandotene, tu non abbia poi a vomitarlo.
17Aza miditra matetika ao an-tranon'ny namanao, Fandrao tofoka anao izy, ka ho halany ianao.
17Metti di rado il piede in casa del prossimo, ond’egli, stufandosi di te, non abbia ad odiarti.
18Langilangy sy sabatra ary zana-tsipìka maranitra Ny olona izay mitsangana ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namany.
18L’uomo che attesta il falso contro il suo prossimo, è un martello, una spada, una freccia acuta.
19Toy ny nify nahasimatsimahana sy ny tongotra mangozohozo Ny fahatokiana ny mpamitaka amin'ny andro fahoriana.
19La fiducia in un perfido, nel dì della distretta, è un dente rotto, un piede slogato.
20Toy ny miala lamba amin'ny hatsiaka, Ary toy ny vinaingitra amin'ny sirahazo, Dia toy izany ny mikalo amin'ny malahelo am-po.
20Cantar delle canzoni a un cuor dolente è come togliersi l’abito in giorno di freddo, e mettere aceto sul nitro.
21Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; Ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny;
21Se il tuo nemico ha fame, dagli del pane da mangiare: se ha sete, dagli dell’acqua da bere;
22Fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany, Ary Jehovah no hamaly soa anao.
22ché, così, raunerai dei carboni accesi sul suo capo, e l’Eterno ti ricompenserà.
23Ny rivotra avy any avaratra mahatonga ranonorana, Dia toy izany, ny lelan'ny mpifosa mampahavinitra endrika.
23Il vento del nord porta la pioggia, e la lingua che sparla di nascosto fa oscurare il viso.
24Aleo mitoetra eo an-joron'ny tampontrano Toy izay miray trano amin'ny vehivavy tia ady.
24Meglio abitare sul canto d’un tetto, che in una gran casa con una moglie rissosa.
25Rano mangatsiaka amin'ny fanahy reraka Ny filazana soa avy any an-tany lavitra.
25Una buona notizia da paese lontano è come acqua fresca a persona stanca ed assetata.
26Loharano voahosihosy sy fantsakana simba Ny marina izay mikoy ny ratsy fanahy,
26Il giusto che vacilla davanti all’empio, è come una fontana torbida e una sorgente inquinata.
27Tsy tsara raha mahery homana tantely; Fa ny fitadiavan'ny olona ny voninahiny dia tsy voninahitra.[Na: Fa ny fandinihana izay sarotra dia voninahitra (na: mavesatra)]Tanàna rava tsy misy manda Ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny.
27Mangiar troppo miele non è bene ma scrutare cose difficili è un onore.
28Tanàna rava tsy misy manda Ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny.
28L’uomo che non si sa padroneggiare, è una città smantellata, priva di mura.