1[Dera ho an'Andriamanitra, Mpamonjy tokana] Haleloia. Miderà an'i Jehovah, ry fanahiko.
1Alleluia. Anima mia, loda l’Eterno.
2Hidera an'i Jehovah aho, raha mbola miaina koa; Eny, hankalaza an'Andriamanitra aho, raha mbola velona koa.
2Io loderò l’Eterno finché vivrò, salmeggerò al mio Dio, finché esisterò.
3Aza matoky ny lehibe, Na ny zanak'olombelona izay tsy mahavonjy.
3Non confidate nei principi, né in alcun figliuol d’uomo, che non può salvare.
4Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin'ny taniny izy; Ary amin'izay indrindra no hahafoanan'ny fikasany.
4Il suo fiato se ne va, ed egli torna alla sua terra; in quel giorno periscono i suoi disegni.
5Sambatra izay manana an'Andriamanitr'i Jakoba ho Mpanampy azy Sady manantena an'i Jehovah Andriamaniny,
5Beato colui che ha l’Iddio di Giacobbe per suo aiuto, e la cui speranza è nell’Eterno, suo Dio,
6Izay nanao ny lanitra sy ny tany, Ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny, Izay mitandrina fahamarinana mandrakizay,
6che ha fatto il cielo e la terra, il mare e tutto ciò ch’è in essi; che mantiene la fedeltà in eterno,
7Izay manome rariny ho an'ny ampahoriana, Izay manome hanina ho an'ny noana. Jehovah mamaha ny mpifatotra;
7che fa ragione agli oppressi, che dà del cibo agli affamati. L’Eterno libera i prigionieri,
8Jehovah mampahiratra ny jamba Jehovah mampitraka ny mitanondrika; Jehovah tia ny marina;
8l’Eterno apre gli occhi ai ciechi, l’Eterno rialza gli oppressi, l’Eterno ama i giusti,
9Jehovah miaro ny vahiny Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena, Fa mamadika ny lalan'ny ratsy fanahy kosa.Manjaka mandrakizay Jehovah, Hatramin'ny taranaka fara mandimby Andriamanitrao, ry Ziona. Haleloia.
9l’Eterno protegge i forestieri, solleva l’orfano e la vedova, ma sovverte la via degli empi.
10Manjaka mandrakizay Jehovah, Hatramin'ny taranaka fara mandimby Andriamanitrao, ry Ziona. Haleloia.
10L’Eterno regna in perpetuo; il tuo Dio, o Sion, regna per ogni età. Alleluia.