1In nastalo je veliko vpitje ljudstva in njih žen zoper svoje brate, Jude.
1Ary nitaraina mafy ny lehilahy sy ny vadiny ny amin'ny Jiosy rahalahiny.
2Nekateri so namreč bili, ki so dejali: Naših sinov in naših hčerá, nas je veliko: moramo dobiti žita, da jemo in ostanemo živi.
2Fa nisy nanao hoe: Maro izahay mbamin'ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy; koa ta-hahazo vary izahay mba hohaninay hivelomanay.
3In nekateri so bili, ki so govorili: Morali smo zastaviti njive svoje, vinograde in hiše svoje, da smo dobili žita ob tej draginji.
3Ary nisy koa nanao hoe: Ny taninay sy ny tanim-boalobokay ary ny tranonay dia efa nataonay antoka, koa ta-hahazo vary izahay noho ny mosary.
4Nekateri pa so dejali: Izposodili smo si denarja na svoje njive in vinograde za davke kralju.
4Ary nisy koa indray nanao hoe: Efa nisambo-bola izahay handoavanay ny hetran'ny mpanjaka, ary ny taninay sy ny tanim-boalobokay no nataonay antoka.
5Vendar pa je telo naše kakor naših bratov telo in naši otroci so kakor njih otroci. In glej, moramo deti sinove in hčere svoje pod jarem sužnosti, in nekatere naše hčere so že pod jarmom, in ni v moči naših rok, da jih odkupimo; saj imajo drugi njive in vinograde naše.
5Kanefa mba tahaka ny nofon'ny rahalahinay ihany ny nofonay, ary tahaka ny zanany ihany ny zanakay; fa na dia izany aza, indreo izahay manetry ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy ho andevo, ary ny sasany amin'ny zanakai-vavy dia efa andevo rahateo; nefa tsy manan-ko enti-manavotra azy izahay, satria lasan'ny sasany ny taninay sy ny tanim-boalobokay.
6Ko sem pa slišal njih vpitje in take besede, sem se silno razsrdil.
6Dia tezitra indrindra aho, raha nahare ny fitarainany sy izany teny izany.
7In posvetoval sem se sam pri sebi v srcu ter potem okaral plemenitnike in načelnike in jim dejal: Vi lihvarite, vsak proti bratu svojemu! In priredil sem veliko zborovanje zoper nje
7Ary nihevitra tao am-poko aho, ka dia nananatra mafy ny manan-kaja sy ny mpanapaka ka nanao taminy hoe: Samy mampanàna zavatra amin'ny rahalahinareo avy ianareo. Dia nanendry fiangonan-dehibe aho hitsarana azy.
8in jim dejal: Mi smo odkupili, kolikor smo jih mogli, brate svoje, Jude, ki so bili prodani poganom. Vi pa hočete prodajati brate svoje? in nam li naj se prodado? Nato so molčali in niso vedeli odgovoriti.
8Ary hoy izaho taminy: Izahay araka izay tratry ny nanananay dia efa nanavotra ny Jiosy rahalahinay, izay efa namidy tamin'ny jentilisa; fa ianareo kosa moa hivarotra ny rahalahinareo va, ka hamidy aminay va izy? Dia sina izy, fa tsy hitany izay havaliny.
9Še sem rekel: Kar delate, ni dobro. Ne bi li imeli hoditi v strahu Boga našega, da ne bodemo v zasmeh poganom, sovražnikom svojim?
9Ary hoy koa aho: Tsy tsara izao ataonareo izao; moa tsy tokony handeha amin'ny fahatahorana an'Andriamanitsika va ianareo noho ny fanaratsian'ny jentilisa fahavalontsika?
10Pa tudi jaz, bratje moji in hlapci moji, smo jim posodili denarja in žita za obresti. Prosim vas, odpustímo jim to posojilo!
10Izaho sy ny rahalahiko ary ny zatovoko efa nampanàna vola sy vary taminy; koa masìna ianareo, aoka re hafointsika izany trosa izany;
11Povrnite jim, prosim, še danes njih njive in vinograde, njih oljkove vrte in hiše in stotnino denarja in žita, vina in olja, ki ste ga jim posojali na obresti.
11eny, masìna ianareo, ampodio aminy anio ihany ny taniny sy ny tanim-boalobony sy ny tanin'olivany sy ny tranony sy ny ampahazaton'ny vola sy ny vary ary ny divay sy ny diloilo izay nampisamborinareo azy.
12Tedaj reko: Povrnemo jim in ne bomo jih terjali za nič, ampak hočemo storiti, kakor praviš. Nato pokličem duhovnike in jih zavežem s prisego, da store po tej obljubi.
12Dia hoy ireo: Eny, hampodinay izany, ka tsy haka na inona na inona aminy izahay, fa hanao araka izay lazainao. Dia niantso ny mpisorona aho ka nampianiana ireo hanao araka izany teny izany,
13Iztresel sem tudi nedrije svoje, rekoč: Tako iztresi Bog vsakega, ki ne izpolni te obljube, iz hiše njegove in s posla njegovega, in tako bodi iztresen in prazen! In ves zbor je dejal: Amen! in so hvalili GOSPODA. In ljudstvo je storilo po tej obljubi.
13sady nanakopaka ny lambako teo am-pofoako aho ka nanao hoe: Ho tahaka izany anie no hanakopahan'Andriamanitra ny olona rehetra izay tsy mahantanteraka izany teny izany hiala amin'ny tranony sy ny vokatry ny asany; eny, hakopaka ka hofoanana tahaka izany anie izy. Ary ny fiangonana rehetra nanao hoe: Amena; sady nidera an'i Jehovah izy. Ary dia nanao araka izany teny izany ny olona.
14Tudi od časa, ko mi je bilo ukazano, naj bodem njih deželni poglavar v deželi Judovi, namreč od dvajsetega do dvaintridesetega leta kralja Artakserksa, dvanajst let, nisem živil sebe in bratov svojih s poglavarjevim živežem.
14Ary koa, hatramin'ny andro nanendrena ahy ho governora amin'ny tany Joda, dia hatramin'ny taona faharoa-polo ka hatramin'ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan'i Artaksersesy, dia roa ambin'ny folo taona izay, izaho sy ny raha!ahiko tsy mba nihinana izay anjara-fiveloman'ny governora.
15Ali prejšnji deželni oblastniki, ki so bili pred menoj, so nadlegovali ljudstvo in so jemali od njih živeža in vina, vrhutega po štirideset seklov srebra, in še njih hlapci so samovoljno gospodovali ljudstvu. A jaz nisem ravnal tako, zaradi Božjega strahu.
15Fa ireo governora fahiny izay teo alohako ireo dia nahavaky tratra ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekely volafotsy efa-polo koa; eny, na dia ny zatovony aza dia nisetrasetra tamin'ny olona; fa izaho tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an'Andriamanitra.
16Pa tudi dela na zidu sem se udeležil, in njive nismo nobene kupili in vsi moji hlapci so ondi morali prihajati na delo.
16Eny, izaho naharitra nanao io manda io ihany, sady tsy nividy tany izahay; ary ny zatovoko rehetra dia voangona hanao ny asa.
17Vrhutega so jedli pri moji mizi Judje in načelniki, sto in petdeset mož, in tisti, ki so k nam dohajali izmed poganov v okolišu.
17Ary teo amin'ny latabatro nisy Jiosy sy mpanapaka dimam-polo amby zato afa-tsy izay nankeo aminay avy tamin'ny firenena manodidina anay.
18In pripravili so mi vsak dan: enega vola in šest izbranih ovac, tudi perotnine so mi pripravljali in enkrat v desetih dneh zalogo vsakovrstnega vina; pri vsem tem nisem zahteval živeža deželnega oblastnika, ker služba je hudo težila ljudstvo.Spominjaj se mi, o Bog moj, v dobro vsega, kar sem storil za to ljudstvo.
18Ary ny namboarina ho ahy isan'andro dia omby iray sy ondry matavy enina ary vorona koa, ary indray mandeha isan-kafoloana dia nasiana divay samy hafa betsaka; nefa na dia izany aza, ny anjara-fiveloman'ny governora dia tsy mba nilaiko, satria nahavesatra ny olona ny fanompoana.Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô, araka izay rehetra nataoko ho an'ity firenena ity.
19Spominjaj se mi, o Bog moj, v dobro vsega, kar sem storil za to ljudstvo.
19Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô, araka izay rehetra nataoko ho an'ity firenena ity.