1Zgodi se pa, ko so zvedeli Sanbalat, Tobija in Gesem Arabec in drugi naših sovražnikov, da sem dozidal obzidje ter da v njem ni bilo več vrzeli (dasi še nisem do tedaj obesil durnic na vrata),
1Ary rehefa ren'i Sanbala sy Tobia sy Gasema Arabo mbamin'ny namany fahavalonay fa efa nanao ny manda aho, ka tsy nisy banga intsony teo (kanefa tamin'izany andro izany tsy mbola voalatsako ny lela-vavahady),
2da pošljeta k meni Sanbalat in Gesem ter sporočita: Pridi, in naj se snidemo v kateri vasi na Onski ravnini. Ona sta pa mislila storiti mi hudo.
2dia naniraka ho any amiko Sanbala sy Gasema ka nanao hoe: Avia isika hihaona ao amin'izay vohitra anankiray amin'ny tany lemak'i Ono. Kanjo nikasa hanisy ratsy ahy izy roa lahy.
3In pošljem sle in jima sporočim: Opravljam veliko delo, ne morem priti tja doli. Čemu naj počiva delo, če bi ga popustil in prišel doli k vam?
3Dia naniraka olona hankany aminy kosa aho hanao hoe: Asa lehibe no ataoko, ka tsy afa-midina aho; nahoana no hilaozako midina any aminareo ny asa ka hatsahatra?
4Štirikrat sta k meni poslala z istimi besedami, in odgovarjal sem jima na ta način.
4Kanefa mbola naniraka tamiko inefatra araka izany ihany izy; ary izaho kosa dia mbola namaly azy toy izany ihany koa.
5Tedaj pošlje Sanbalat petič istotako hlapca svojega k meni z odprtim listom v roki,
5Dia nirahin'i Sanbala fanindiminy ny zatovony hankeo amiko araka izany ihany, nitondra taratasy nivelatra teny an-tànany,
6v katerem je bilo pisano: Pripoveduje se med narodi, in Gesem to pravi, da se ti in Judje mislite izneveriti; zato gradiš obzidje, in ti jim hočeš biti kralj, kakor se govori.
6izay nisy soratra hoe: Efa mahoraka any amin'ny firenena maro izao teny izao, sady lazain'i Gasema hoe: Hianao sy ny Jiosy dia mikasa hikomy, ka izany no anaovanao ny manda, ary araka izany teny izany dia mikasa ho mpanjakany, hono, ianao,
7In postavil si tudi proroke, da oznanjajo o tebi v Jeruzalemu, govoreč: Kralj je na Judovem! In sedaj lahko zasliši kralj to, kar se govori. Sedaj torej pridi, da se posvetujemo skupaj!
7sady efa nanendry ny mpaminany maro hilaza anao any Jerosalema hoe Mpanjaka any Joda; ary ankehitriny dia ho ren'ny mpanjaka izany teny izany; koa avia isika hiara-mihevitra.
8Nato pošljem k njemu in sporočim: Nič takega se ni zgodilo, kar ti praviš, temuč v srcu svojem si to izmislil.
8Dia naniraka ho any aminy aho hanao hoe: Tsy marina izany zavatra lazainao izany, fa tao am-ponao ihany no namoronanao izany.
9Zakaj vsi oni so nas hoteli prestrašiti, češ, da bodo roke naše nehale od dela, da se ne dovrši. –Sedaj pa, Bog, pokrepčaj moje roke!
9Fa ta-hampahatahotra anay izy rehetra, ka hoy izy: Ho kivy amin'ny asa izy ka tsy hahatontosa. Koa ankehitriny ampaherezo e ny tanako!
10In šel sem v hišo Semaja, sinu Delaja, sinu Mehetabela, ki se je bil zaklenil. In on je rekel: Snidiva se v hiši Božji, sredi templja, in zapriva duri templjeve; zakaj pridejo, da te umore, po noči pridejo, da te ubijejo!
10Ary izaho dia tonga tao an-tranon'i Semaia, zanak'i Delaia, zanak'i Mehetabela, izay nihidy trano tao; dia hoy izy: Andeha isika hiditra ao an-tranon'Andriamanitra ao anatin'ny tempoly, ary aoka harindrintsika ny varavarana, fa ho avy hamono anao izy, eny, ho avy alina hamono anao izy.
11Jaz pa sem dejal: Mož, kakršen sem jaz, naj beži? In kako bi smel tak, kakršen sem jaz, iti v tempelj, da ostane živ? Ne pojdem vanj!
11Fa hoy izaho: Moa ny lehilahy tahaka ahy tokony handositra va? Ary iza no olona tahaka ahy no mahazo miditra ao amin'ny tempoly ka ho velona? Tsy hiditra ao aho.
12In razpoznal sem, da ga ni poslal Bog, temuč govoril je to prorokovanje zoper mene, in Tobija in Sanbalat sta mu bila dala denarja
12Ary hitako fa, indro, tsy Andriamanitra no naniraka azy, fa nilaza izany faminaniana izany hamitahany ahy izy, satria notambazan'i Tobia sy Sanbala.
13in je bil najet v ta namen, da se zbojim in storim tako in se pregrešim in da bi imela kaj hudega poročati, da bi me mogla zasramovati.
13Izany no nanambazany azy, mba hampitahotra ahy hanaovako izany ka hanotako, dia hahazoany teny tatsy hanaratsiany ahy.
14Spominjaj se, moj Bog, Tobija in Sanbalata, primerno tem njiju delom, in tudi prorokinje Noadije in drugih prorokov, ki so me hoteli spraviti v strah.
14Ry Andriamanitro ô, tsarovy Tobia sy Sanbala araka izany asany izany mbamin'i Noadia mpaminanivavy sy ny mpaminany sasany koa, izay nampitahotra ahy.
15In obzidje je bilo dokončano petindvajseti dan meseca Elula, v dvainpetdesetih dneh.
15Dia vita tamin'ny roa amby dimam-poloandro ny manda, dia tamin'ny andro faha-dimy amby roa-polo tamin'ny volana Elola.
16In ko so to slišali vsi sovražniki naši, so se zbali vsi pogani, ki so živeli okoli nas, in bili so zelo uplašeni sami v sebi, kajti spoznali so, da je to delo dognal Bog.
16Ary rehefa ren'ny fahavalonay rehetra izany, dia raiki-tahotra ny firenena rehetra manodidina anay, sady hitany fa tsinontsinona izy; ary fantany fa Andriamanitray no nahavitàna izany asa izany.
17Tudi so v teh dneh plemenitniki Judovi pošiljali mnogo listov Tobiju, jim pa so dohajali listi od Tobija.
17Ary tamin'izany andro izany ny manan-kaja amin'ny Joda dia nampitondra taratasy maro ho any amin'i Tobia, ary ny avy tamin'i Tobia kosa tonga tany aminy.
18Dosti jih je namreč bilo na Judovem, ki so se ž njim bili s prisego zvezali, ker je bil zet Sekanija, sinu Arahovega, in se je sin njegov Johanan oženil s hčerjo Mesulama, sinu Berekijevega.Govorili so tudi vpričo mene o njegovih dobrih dejanjih in njemu skrivaj donašali besede moje; in Tobija je pošiljal liste, da bi me spravil v strah.
18Fa nisy maro tany Joda efa nianiana niray tetika taminy, satria vinanton'i Sekania, zanak'i Ara, izy; ary Johanana zananilahy efa nanambady ny zanakavavin'i Mesolama, zanak'i Berekia.Ary nisy koa teo anatrehako nilaza ny soa nataony ary nilaza ny teniko tany aminy kosa. Ary Tobia kosa nampitondra taratasy hampitahotra ahy.
19Govorili so tudi vpričo mene o njegovih dobrih dejanjih in njemu skrivaj donašali besede moje; in Tobija je pošiljal liste, da bi me spravil v strah.
19Ary nisy koa teo anatrehako nilaza ny soa nataony ary nilaza ny teniko tany aminy kosa. Ary Tobia kosa nampitondra taratasy hampitahotra ahy.