Slovenian

Malagasy

Proverbs

13

1Sin moder posluša pouk očetov, a zasmehovalec ne posluša nobenega svarjenja.
1Ny zanaka hendry mihaino ny fananaran-drainy; Fa ny mpaniratsira tsy mety mihaino, na dia anarina mafy aza.
2Od sadú ust svojih uživa človek dobro, duša nezvestnikov pa krivičnosti sad.
2Ny vokatry ny vavan'ny olona no ahazoany soa; Fa ny hampidi-doza no mahafaly ny mpivadika.
3Kdor straži usta svoja, obvaruje dušo svojo, kdor pa odpira ustne nepremišljeno, pride mu poguba.
3Izay mahambim-bava no miaro ny ainy; Fa izay vavàna dia haringana.[Na: ny fanahiny]
4Želi, a ničesar ne doseže duša lenuhova, pridnih pa duša se bo redila.
4Ny fanahin'ny kamo maniry, fa tsy mba mahazo; Fa ny fanahin'ny mazoto hohatavezina.
5Pravičnik sovraži lažnivost, brezbožnik pa dela smrad in sramoto.
5Ny lainga dia halan'ny marina; Fa ny ratsy fanahy manao izay maharikoriko sy mahamenatra.
6Pravičnost straži nedolžnega na potu, krivica pa grešnika izpodnaša.
6Ny fahamarinana miaro izay mandeha tsy misy tsiny; Fa ny haratsiana mamotraka ny mpanota.
7Nekateri se kaže bogatega, pa vsega pogreša, nekateri se dela ubožnega, a ima obilo blaga.
7Misy mihambo ho manan-karena, nefa tsy manana na inona na inona; Misy kosa mody malahelo, nefa manana harena be.
8Odkupnina življenja je možu bogastvo njegovo, ali siromak ne čuje pretenja.
8Ny haren'ny olona dia avotry ny ainy; Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory.
9Luč pravičnih daje vesele žarke, brezbožnih svetilnica pa ugasne.
9Ny fahazavan'ny marina dia tsara firehitra; Fa ny jiron'ny ratsy fanahy ho faty.[Heb. mifaly]
10Prevzetnost napravlja samo prepire, pri njih pa, ki sprejemajo svet, je modrost.
10Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; Fa ao amin'ny mino anatra no misy fahendrena.
11Blago, ki se je dobilo s sleparijo, se zmanjša, kdor pa s pošteno roko zbira, ga pomnoži.
11Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava; Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo.
12Predolgo upanje dela srce bolno, življenja drevo pa je želja, ki se izpolni.
12Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo; Fa hazon'aina ny faniriana tanteraka.
13Kdor zaničuje besedo Božjo, sebi škoduje; kdor pa se boji zapovedi, njemu se poplača.
13Izay manamavo ny teny ho voasingony; Fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia.[Na: mahavery tena]
14Nauk modrega je vrelec življenja, da se ogne smrtnih zadrg.
14Ny fampianaran'ny hendry dia loharanon'aina Ka mampivily tsy ho ao amin'ny fandriky ny fahafatesana.
15Razbornost pridobiva milost, pot nezvestnikov pa je hrapav.
15Ny fahendrena tsara dia ahazoam-pitia; Fa sarotra ny lalan'ny mpivadika.
16Razumni dela vse premišljeno, bedak pa razseva neumnost.
16Ny mahira-tsaina, rehetra miasa amin'ny fahalalana; Fa ny adala kosa mampiseho hadalana;
17Brezbožen glasnik zaide v nesrečo, a zvest poslanec je kakor zdravilo.
17Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza; Fa ny iraka mahatoky dia famelombelomana.[Na: fanasitranana]
18Uboštvo in sramota bode njemu, ki se odteguje pouku, kdor pa se pokori svarjenju, pride v čast.
18Fahalahelovana sy henatra no ho an'izay mandà famaizana; Fa izay manaiky anatra no homem-boninahitra.
19Želja izpolnjena je sladka duši, bedakom pa je gnusno umikati se zlemu.
19Mamin'ny fo ny faniriana tanteraka; Fa fahavetavetana eo imason'ny adala ny hiala amin'ny ratsy. [Na: efa mitranga]
20Kdor hodi z modrimi, postane modrejši; kdor pa se druži z bedaki, se pohujša.
20Izay miara-dia amin'ny hendry dia ho hendry; Fa izay misakaiza amin'ny adala dia hidiran-doza.[Na: ho ratsy]
21Grešnike preganja nesreča, pravičnim pa Bog povrača dobro.
21Ny mpanota dia enjehin'ny loza: Fa hovalian-tsoa ny marina.
22Dobri zapušča dediščino sinov sinovom, grešnikovo premoženje pa je shranjeno za pravičnega.
22Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny, Fa ny haren'ny mpanota kosa voatahiry ho an'ny marina.
23Mnogo kruha imajo ubogi, ki orjejo ledino, mnogi pa pride na nič, ker mu ni pravice.
23Ny tanin'ny malahelo izay voasa dia ahazoana hanina be; Fa maro no ringana noho ny fanaovan'izay tsy rariny.
24Komur je žal šibe, sovraži sina svojega, kdor ga pa ljubi, kaznuje ga zgodaj.Pravični jé do sitosti duše svoje, trebuh brezbožnih pa strada.
24Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; Fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.Ny marina mihinana ka voky tsara; Fa noana ny kibon'ny ratsy fanahy.
25Pravični jé do sitosti duše svoje, trebuh brezbožnih pa strada.
25Ny marina mihinana ka voky tsara; Fa noana ny kibon'ny ratsy fanahy.