1Poslušajte, sinovi pouk očetov in pazite, da spoznate razumnost.
1[Fananarana hikatsaka ny fahendrena tsy hikambana amin'ny mpanao ratsy] Ry zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara.
2Kajti dobro izročilo vam dajem, nauka mojega ne zapuščajte.
2Fa anatra tsara no omeko anareo; Aza mahafoy ny lalàko.
3Tudi jaz sem bil sin pri očetu svojem, nežen in edinec v varstvu matere svoje.
3Fa zanak'ikaky aho, Sady tiana no hany malala teo imason'ineny.[Heb. malemilemy]
4In on me je učil in mi rekal: Ohrani naj besede moje srce tvoje; izpoljnjuj zapovedi moje in žívi!
4Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao.
5Pridóbi modrost, pridóbi razumnost, ne zabi je in ne kreni od govorov mojih ust.
5Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.
6Ne zapusti je, in ohranila te bo, ljubi jo, in stražila te bode.
6Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy; Tiavo izy, dia hitandrina anao.
7Začetek modrosti je: Pridóbi modrost! in za ves svoj imetek pridobi si razumnost.
7Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.[Na: Fahendrena no ambony indrindra]
8Povzdiguj jo, in povišala te bo, v čast te spravi, ko jo bodeš objemal.
8Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tananao.
9Na glavo ti dene krasen venec, krono slave ti podari.
9Dia hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; Eny, satro-boninahitra tsara tarehy no homeny anao.
10Čuj, sin moj, in sprejmi besede moje; tako si ti pomnožijo življenja leta.
10Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao.
11Modrosti pot te učim, vodim te po stezah poštenja.
11Làlam-pahendrena no atoroko anao: Eny, mitarika anao amin'ny lalana mahitsy aho.
12Ko boš hodil, nič ne bo oviralo stopinje tvoje, in če potečeš, se ne spotakneš.
12Raha mandeha ianao, dia tsy ho etỳ ny lalanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina.
13Oprimi se pouka, ne pusti ga, hrani ga, ker je življenje tvoje.
13Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao.
14Ne stopi na stezo brezbožnih in po poti hudobnih ne hodi.
14Aza mankany amin'ny alehan'ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin'ny lalan'ny ratsy.
15Ogni se je, ne prehajaj čeznjo, kreni od nje in idi mimo.
15Manalavira azy; aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora.
16Zakaj ne spe, če niso storili hudega, in spanje jim mine, če niso koga izpodnesli.
16Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany.
17Kajti kruh brezbožnosti jedo in vino silovitosti pijo.
17Fa mihinana ny mofon'ny faharatsiana izy, Sy misotro ny divain'ny fahalozàna.
18Toda pravičnikov pot je kakor luč zore, ki sveti bolj in bolj do popolnega dne.
18Fa ny lalan'ny marina dia toy ny fipoak'andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan'ny andro.
19Brezbožnih steza je podobna temi: ne vedo, ob kaj se bodo spoteknili.
19Ny alehan'ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy.
20Sin moj, na besede moje pazi, h govorom mojim nagni uho svoje.
20Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako.
21Nikar naj ti ne izginejo izpred oči, hrani jih v globočini srca svojega.
21Aza avela hiala eo imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao.
22Kajti življenje so njim, ki jih dosežejo, in zdravje vsemu njih telesu.
22Fa aina ho an'ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an'ny nofony rehetra.
23Bolj nego vse, kar je stražiti, čuvaj srce svoje, kajti v njem so viri življenja.
23Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian'ny aina. [Heb. fivoahan']
24Iznebi se spačenosti ust, in zvitost ustnic spravi daleč od sebe.
24Esory aminao ny vava mandainga, Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka.
25Oči tvoje naj zro naravnost in trepalnice tvoje naj gledajo ravno predse.
25Aoka ny masonao hijery mahitsy, Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.
26Izmeri stezo noge svoje in stanovitna naj bodo vsa pota tvoja.Ne kreni na desno ali na levo, odvrni nogo svojo od hudega.
26Ataovy marina ny alehan'ny tongotrao, Dia ho voalamina ny alehanao rehetra;[Na: Saino tsara izay]Aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia; Esory amin'ny ratsy ny tongotrao.
27Ne kreni na desno ali na levo, odvrni nogo svojo od hudega.
27Aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia; Esory amin'ny ratsy ny tongotrao.