Slovenian

Malagasy

Proverbs

5

1Sin moj, na modrost mojo pazi, proti umnosti moji nagni uho svoje,
1[Fananarana tsy hijejojejo] Anaka, tandremo ny fahendreko, Ary atongilano ny sofinao ho amin'ny fahalalako,
2da obdržiš premišljenost in ustne tvoje ohranijo spoznanje.
2Hiheveranao tsara ny fisainana mazava Sy hitandreman'ny molotrao ny fahalalana.
3Zakaj med cede ustne tujke in glajša od olja so usta njena.
3Fa ny molotry ny vehivavy jejo dia mitete toy ny tantely avy amin'ny tohotra, Ary ny vavany dia malama noho ny diloilo;[Heb. vehivavy tsy vadiny]
4Ali njen konec je grenek kakor pelin, oster kakor dvorezen meč.
4Nefa ny farany mangidy tahaka ny hazo mahafaty Ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela.
5Noge njene gredo v smrt, v kraj mrtvih držé stopinje njene.
5Ny tongony midina ho any amin'ny fahafatesana, Ary ny diany mizotra ho any amin'ny fiainan-tsi-hita. [Heb. Sheola]
6Še mar ji ni, da bi krenila na pot življenja; po krivih stezah hodi, a ne ve tega.
6Tsy mahazo mandia ny lalan'aina mihitsy izy, Fa manjenjena, ka tsy fantany akory izay halehany.
7Sedaj torej, sinovi, poslušajte me in ne odstopajte od besed mojih ust.
7Koa mihainoa ahy, ry zanaka, Ary aza miala amin'ny teny aloaky ny vavako.
8Daleč od nje hodi svojo pot in ne bližaj se durim hiše njene,
8Ampanalaviro azy ny alehanao, Ary aza manakaiky ny varavaran'ny tranony;
9da ne bi dal drugim dike svoje in let svojih grozovitniku;
9Fandrao omenao ho an'ny sasany ny voninahitrao, Ary ny taonanao ho an'izay lozabe;
10da ne bi se sitili tujci s premoženjem tvojim in trudi tvoji ostali v hiši inostranca.
10Fandrao hivokisan'ny vahiny ny fanananao; Ary izay nisasaranao ho tonga ao an-tranon'ny vahiny;
11In ne bi zdihoval ob koncu svojem, ko se ti posuši meso in telo,
11Ka dia hitoloko ianao any am-parany, Raha mihalevona ny nofonao sy ny tenanao;
12in govoril: „Kako sem sovražil pouk in svarjenje je zametalo srce moje!
12Dia hanao hoe ianao: Nahoana re no nankahala famaizana aho? Ary nahoana no naniratsira fanaranana ny foko,
13Poslušal nisem glasú učiteljev svojih, ne ušesa svojega nagibal k njim, ki so me učili.
13Ka tsy nihaino ny tenin'ny mpanoro hevitra ahy, Ary tsy nanongilana ny sofiko hihaino ny mpampianatra ahy?
14Skoraj da nisem obtičal v vsej nesreči sredi zbora in občine!“
14Efa saiky azon'ny ratsy rehetra aho Tao amin'ny fiangonana sy ny fivoriana.
15Pij vodo iz lastnega vodnjaka in kar ti priteka iz tvojega studenca!
15Misotroa rano avy amin'ny lavaka famorian-dranonao ihany Sy rano miboiboika avy amin'ny fantsakanao.
16Ali naj se ven razlivajo viri tvoji, po ulicah tvoji potoki?
16Hipasaka eny ivelany va ny rano avy amin'ny loharanonao, Ary eny an-dalambe ny rano velonao?
17Imej jih sam zase, a ne za tujce s seboj vred.
17Aoka ho anao irery ihany izany, Fa aza iombonana amin'ny hafa.
18Blagoslovljen bodi vrelec tvoj in veseli se žene mladosti svoje,
18Aoka hotahina ny loharanonao, Ary mifalia amin'ny vadin'ny fahatanoranao.
19košute predrage, gazele drežestne –! prsi njene naj te mamijo vsak čas, vedno hodi zamaknjen v njeno ljubezen!
19Fa dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy, Dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, Ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin'ny fitiavany ianao.
20Ker zakaj bi taval, sin moj, s tujko in bi objemal prsi tuje ženske?
20Nahoana ianao, anaka, no ho renoka amin'ny fitiavana vehivavy jejo Ka hanohona ny tratran'ny vahiny janga? [Heb. vehivavy tsy vadiny]
21Kajti pred očmi GOSPODOVIMI so pota vsakega in on meri vse steze njegove.
21Fa eo imason'i Jehovah ny alehan'ny olona, Ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa.
22Brezbožnika ujamejo krivice njegove in vrvi greha njegovega ga bodo držale.Umre, ker mu nedostaje pouka, in v obilosti nespameti svoje bo blodil.
22Ny heloky ny ratsy fanahy dia mahazo ny tenany ihany, Ary ny kofehin'ny fahotany no itanana azyMaty noho ny tsi-fahazoany famaizana izy, Eny, mikorapaka noho ny haben'ny fahadalany.
23Umre, ker mu nedostaje pouka, in v obilosti nespameti svoje bo blodil.
23Maty noho ny tsi-fahazoany famaizana izy, Eny, mikorapaka noho ny haben'ny fahadalany.