1Sin moj, če si postal porok bližnjemu svojemu, če si s podano roko obljubil za tujca:
1[Ny tsy mahamety ny miantoka olona sy ny hakamoana sy ny fitaka sy ny avonavona; ary ny zavatra fito loha izay halan'i Jehovah] Anaka, raha niantoka ny namanao ianao Ary nandray tanana hiantoka ny hafa,
2zadrgnil si se z besedami svojih ust, ujet si z besedami svojih ust.
2Ka voafandriky ny teny naloaky ny vavanao ianao Sady voasingotry ny teny naloaky ny vavanao,
3Stóri tisto skoraj, sin moj, in reši se, ker si prišel bližnjemu svojemu v roko; pojdi, spusti se na kolena in s prošnjami nadleguj bližnjega svojega!
3Dia izao no ataovy, anaka, ka afaho ny tenanao (Satria efa mby eo an-tanan'ny namanao ianao): Andeha mihohoka sy mifona mafy amin'ny namanao.
4Ne dovoli spanja svojim očem, ne dremanja trepalnicam svojim;
4Aza avela hatory akory ny masonao, Ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao.
5reši se kakor gazela iz roke lovčeve in kakor ptica iz ptičarjeve pesti.
5Afaho ny tenanao toy ny gazela miala amin'izay mihazona azy, Ary toy ny voron-kely miala amin'ny tanan'ny mpamandrika.[Izahao 2 Sam. ii.18]
6Pojdi k mravlji, o lenuh, oglej si pota njena in uči se modrosti:
6Mandehana any amin'ny vitsika, ry ilay malaina; Diniho ny fanaony, ka mba hendre;
7nima vodnika, nadzornika ali zapovednika,
7Tsy manana komandy ireny, Na mpifehy, na mpanapaka,
8vendar pripravlja poleti hrano svojo, ob žetvi znaša, kar bo uživala.
8Nefa mamory ny haniny raha fahavaratra izy, Ary manangona ny fihinany amin'ny fararano.
9Doklej boš polegal, lenuh? kdaj vstaneš iz spanja svojega?
9Mandra-pahoviana no mbola handry ihany ianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin'ny torimasonao ianao?
10Malo boš pospančkal, malo podremal, malo sklenil roke in poležal:
10Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, Ary mbola hanohon-tanana kely hatory,
11v tem ti pride uboštvo kakor uren popotnik in nuja nadte kakor oboroženec.
11Dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.
12Belijalov človek, krivičen mož je, kdor hodi s spačenimi usti,
12Ny olona tena ratsy fanahy sy mpanao ratsy Dia ilay mandehandeha manao vava ratsy,
13mežika z očmi, beseduje z nogami, pomiguje s prsti.
13Izay mami-maso sy manao famantarana amin'ny tongony Ary manao baiko amin'ny rantsan-tànany;
14Vsakršna spačenost tiči v srcu njegovem, zlo snuje sleherni čas, prepire napravlja.
14Fahafetsena no ao am-pony, Mihevi-dratsy mandrakariva izy Sady mamafy ady.
15Zatorej pride nagloma nesreča njegova, v hipu se razbije in ne bo ozdravljenja.
15Ary noho izany dia ho avy tampoka kosa ny loza hanjo azy; Ho torotoro tampoka izy, ka tsy hisy fahasitranana.
16Šestero je reči, ki jih sovraži GOSPOD, in sedmero se jih studi duši njegovi:
16Izao enina izao no halan'i Jehovah, Eny, fito no ataony ho fahavetavetana:
17oči visoke, jezik lažnjiv in roke, prelivajoče nedolžno kri,
17Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tanana mandatsa-drà marina,
18srce, ki snuje hudobne naklepe, noge, urno tekoče v hudo,
18Ny fo mamoron-tsain-dratsy, Ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy,
19kriva priča, ki raznaša laži, in kdor prepire seje med brati.
19Ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin'ny rahalahy.
20Hrani, sin moj, zapoved očeta svojega in ne zametuj nauka matere svoje;
20[Fananarana hankatò tsara ny ana-dray aman-dreny mba hifady ny fifangajangana] Anaka, tandremo ny didin-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao.
21privezuj ju na srce svoje vedno, pripenjaj ju na grlo svoje!
21Afatory amin'ny fonao mandrakariva ireo, Ary afehezo eo am-bozonao,
22Kamor koli pojdeš, te bosta spremljala, ko boš ležal, bosta pazila nate, in ko se zbudiš, se pogovarjala s teboj.
22Raha mandeha ianao, dia hitari-dalana anao ireo; Raha mandry ianao, dia hiambina anao; Ary raha mifoha ianao, dia hamelona eritreritra anao.
23Kajti zapoved je svetilnica in nauk je luč; in poučna svarila so pot življenja,
23Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, Ary lalan'aina ny anatra famaizana,
24da te obvarujejo ženske hudobne, prilizovanja jezika tujke.
24Hiarovana anao amin'ny vehivavy ratsy fanahy, Ary amin'ny fandroboan'ny lelan'ny vahiny janga. [Heb. lelam-bahiny]
25Ne poželi si lepote njene v srcu in s trepalnicami svojimi naj te ne ujame.
25Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin'ny hodimasony izy.
26Kajti zaradi nečiste ženske se izgubi kruhek in prešeštnica lovi dušo dragoceno.
26Fa noho ny vehivavy mpijangajanga no mila tsy hananan'ny lehilahy sombi-mofo, Ary ny amin'ny vadin'ny olona no mihaza ny aina soa.
27Ali vzame kdo ogenj v nedrje svoje, in oblačila se mu ne osmode?
27Mahatondra afo ao an-tratran'akanjony va ny olona, Ka tsy ho may ny akanjony?
28Ali pa more kdo hoditi po žerjavici, da bi se mu noge ne obžgale?
28Misy mahadia vain'afo va, Ka tsy ho may ny tongony?
29Tako, kdor se shaja z bližnjega svojega ženo, kdorkoli se je dotakne, ne ostane brez kazni.
29Dia toy izany izay mankamin'ny vadin'ny namany; Tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy.
30Ne zadene zaničevanje tatu, ako ukrade, da uteši poželenje svoje, ko je gladen;
30Tsy avelan'ny olona ho afa-maina ny mpangalatra, Raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy, na dia noana aza;
31vendar zasačen mora povrniti sedemkrat, dati mora vse blago hiše svoje.
31Fa raha azo izy, dia hampanoneriny fito heny Ka hanome ny fananana rehetra ao an-tranony.[Na: Ny olona tsy manome tsiny ny mpangalatra, noana; Nefa]
32A kdor prešeštvuje z ženo, norí; kdor se hoče pogubiti, naj to stori.
32Izay mijangajanga amin'ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany.
33Šiba in nečast ga zadeneta, in sramota njegova se ne izbriše.
33Voakapoka sy afa-baraka izy Ary tsy ho afaka amin'ny tondro-molotra.
34Ker ljubosumnost razvname srd moža, zato ne prizanese v dan maščevanja.Ne mara nobene odkupnine in ne sprejme, ponujaj še toliko darov.
34Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran-dehilahy, Koa tsy hamindra fo izy amin'ny andro hamaliany.Tsy handray vola ho enti-manalady akory izy, Ary tsy hety, na dia omenao fanambatambazana be aza.[Heb. avotra]
35Ne mara nobene odkupnine in ne sprejme, ponujaj še toliko darov.
35Tsy handray vola ho enti-manalady akory izy, Ary tsy hety, na dia omenao fanambatambazana be aza.[Heb. avotra]