Slovenian

Malagasy

Proverbs

7

1Sin moj, pazi na besede moje in zapovedi moje hrani pri sebi.
1Anaka, tandremo ny teniko, Ary raketo ao aminao ny didiko.
2Pazi na zapovedi moje in žívi, pazi na nauk moj kakor na zenico svojih oči.
2Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao; Ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalàko.
3Priveži si jih na prste, zapiši jih na srca svojega ploščo.
3Afehezo eo amin'ny rantsan-tananao izy, Soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka izy.
4Reci modrosti: sestra si moja! in razumnost imenuj sorodnico svojo:
4Ny fahendrena dia ilazao hoe: Anabaviko ianao; Ary ny fahafantarana dia antsoy hoe: Sakaiza mahazatra ianao;
5da te varuje žene vnanje, tujke, ki se dobrika z gladkimi besedami.
5Mba hiarovana anao amin'ny vehivavy jejo, Dia amin'ny vahiny janga izay manao teny mandrobo.[Heb. vehivavy tsy vadinao]
6Kajti skozi okno hiše svoje, preko omrežja svojega gledajoč,
6Fa teo amin'ny varavarankelin'ny tranoko, Dia teo amin'ny makarakara, no nitsirihako,
7sem videl med abotnimi, zazrl med sinovi brezumnega mladeniča,
7Ka nahita anankiray tamin'ny kely saina aho, Eny, nandinika ny tovolahy aho ka nahita zazalahy anankiray tsy ampy saina,
8ki se je po ulicah klatil, blizu njenega vogla, stopal po potu do hiše njene,
8Izay nandeha tamin'ny lalana akaikin'ny zoron-tranon'ny vehivavy janga Sy nizotra nankany an-tranony,
9v mraku, na večer dneva, v noči črni in temni.
9Nony takariva ilay somambisamby iny Sy tamin'ny alina efa maizina dia maizina.
10In glej, ženska mu pride naproti, v kurbji opravi in odrevenelega srca.
10Dia, indro, nisy vehivavy nitsena azy Sady manao fitafin'ny janga no mifetsy am-po,
11Jezična je in trdovratna, v njeni hiši ne bivajo noge njene;
11Sady vavàna no maditra, Tsy mahajanona ao an-tranony ny tongony;
12zdaj se klati po ulicah, zdaj po trgih in pri vsakem voglu zalezuje.
12Fa vetivety mby eny an-dalam-be izy, ary vetivety mby eny an-tsena, Ary mamitsaka eny an-joron-trano rehetra eny izy.
13In ga prime ter ga poljubi in s predrznim licem mu reče:
13Ka dia nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy Sady nisolantsolana taminy ka nilaza hoe:
14Hvalne daritve sem bila dolžna, danes sem opravila obljube svoje.
14Efa nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho; Ary androany no nanefako ny voadiko.
15Zato sem ti prišla naproti, hrepeneč po obličju tvojem, in sem te našla.
15Koa dia nivoaka hitsena anao aho, Mba hitady fatratra ny tarehinao, ka dia nahita anao tokoa.
16S preprogami sem prestrla posteljo svojo, s pisanimi odejami iz platna egiptovskega;
16Ny fandriako efa nasiako firakotra tsara, Dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly hatrany Egypta.
17pokadila sem ležišče svoje z miro, aloo in cimetom.
17Efa norarahako zava-manitra ny fandriako, Dia miora sy hazomanitra ary havozo manitra.[Heb. ahalima]
18Dej, radujva se obilo v ljubezni prav do jutra, oslajujva se z ljubkovanjem!
18Andeha, aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain'ny andro, Aoka ho feno fahafinaretana amin'ny fitiavana isika.
19Kajti moža ni v hiši, odšel je na daljni pot;
19Fa tsy ao an-trano ny lehilahy, Fa lasa nivahiny lavitra izy;
20mošnjo denarja je vzel s seboj, povrne se domov šele ob ščipu.
20Ny kitampom-bola dia nentiny any an-tànany, Ka tsy mbola hody izy mandra-pahafenon'ny volana.
21Nagnila ga je z mnogim pregovarjanjem svojim, s prilizovanjem ust svojih ga je potegnila:
21Tamin'ny teny maro no nampanekeny azy, Tamin'ny fandroboan'ny molony no nitaomany azy,
22za njo gre takoj, kakor gre vol v klalnico in kakor neumnež v kazen v okovih –
22Ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin'izay ilay zatovo, Tahaka ny omby entina hovonoina, Ary tahaka ny adala hogadrana, [Na: Na iza na iza mandeha manaraka azy dia][Heb. tahaka ny gadra ho famaizana ny adala]
23dokler mu pšica jeter ne razkolje; kakor ptič hiti v zanko, ne vedoč, da je zoper življenje njegovo.
23Ambara-piboroaky ny lefom-pohy amin'ny atiny, Ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, Fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany.
24Zato sedaj, sinovi, poslušajte me in pazite na ust mojih besede!
24Koa mihainoa ahy ianareo, anaka, Ary tandremo ny teny aloaky ny vavako.
25Ne kreni na njena pota srce tvoje, ne zavij na steze njene.
25Aoka tsy hivily ho any amin'ny lalany ny fonareo, Ary aza mania ho amin'ny alehany.
26Ker mnogo jih je prebodla in na tla zvrnila, in veliko jih je, katere je vse pomorila.Hiša njena je pot v kraj mrtvih, gredoča doli v smrtne hrame.
26Fa betsaka no naripany ka maty; Ary maro be no efa matiny.Ny tranony dia lalana mankany amin'ny fiainan-tsi-hita, Eny, midina ho any amin'ny efi-tranon'ny fahafatesana.[Heb. Sheola]
27Hiša njena je pot v kraj mrtvih, gredoča doli v smrtne hrame.
27Ny tranony dia lalana mankany amin'ny fiainan-tsi-hita, Eny, midina ho any amin'ny efi-tranon'ny fahafatesana.[Heb. Sheola]