Slovenian

Malagasy

Proverbs

8

1Ali ne kliče modrost in razumnost ne zaganja svojega glasu?
1[Ny fiantsoan'ny fahendrena, sy ny fahatsarany] Tsy miantso va ny fahendrena, Ary tsy manandra-peo va ny fahalalana?
2Na vrhu višav pri cesti, na razpotjih stoji,
2Eo an-tampon'ny fitoerana avo amoron-dalana Sy eo an-tsampanan-dalana no ijoroany.
3na strani vrat, ob izhodu mesta, pri vhodu v duri vpije, govoreč:
3Eo anilan'ny vavahady, amin'ny fidirana ho ao an-tanàna, Sy eo anaty vavahady no iantsoany maty hoe:
4Vas, možje, kličem in glas moj je do sinov človeških.
4Hianareo no antsoiko, ry olona; Ary ny feoko ho amin'ny zanak'olombelona.
5Umejte, o preprosti, previdnost, in neumni, srce vam bodi razumno!
5Fantaro ny fahendrena, ry kely saina; Ary fantaro ny fahalalana, ry adala.
6Čujte, ker vzvišene reči bom govorila, usta svoja odprem, da oznanim, kar je prav.
6Henoy, fa hilaza zava-tsoa aho; Ary ny hilaza ny mahitsy no isokafan'ny molotro.
7Kajti resnico govoré usta moja in gnusoba je ustnam mojim krivica.
7Fa ny marina ihany no holazain'ny vavako; Ary ny ratsy dia fahavetavetana, raha amin'ny molotro.
8Pravične so vse besede mojih ust, nič ni skrivljenega ali spačenega v njih.
8Marina ny teny rehetra aloaky ny vavako; Tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy.
9Jasne so vse razumnemu in ravne njim, ki pridobivajo umnost.
9Miharihary avokoa izy, raha amin'ny mazava saina, Ary mahitsy, raha amin'ny efa nahazo fahalalana.
10Sprejmite nauk moj in ne srebra in znanje rajši nego izbrano zlato.
10Aza ny volafotsy no raisina, fa ny anatro, Ary aleo ny fahalalana toy izay ny volamena voafantina.
11Zakaj boljša je modrost od biserov, in vse, kar si more kdo želeti, se ne more enačiti ž njo.
11Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy.[Na: perla]
12Jaz, modrost, prebivam s previdnostjo in imam pri sebi spoznanje dobrih sklepov.
12Izaho fahendrena dia miara-monina amin-tsaina, Ary hitan'ny fahalalako ny fisainana mazava.
13Strah GOSPODOV je sovražiti hudo; napuh in prevzetnost in hudobno pot in usta, spačenostim vdana, jaz sovražim.
13Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an'i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.
14Moj je svét in zdrava pamet, jaz sem razumnost, moja je moč.
14Ahy ny fisainana sy ny fanambinana; Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery;[Na: tena fahendrena]
15Po meni kraljujejo kralji in vladarji določajo pravo.
15Izaho no anjakan'ny mpanjaka Sy andidian'ny mpanapaka araka ny rariny;
16Po meni vladajo knezi in plemenitniki in vsi sodniki zemlje.
16Izaho no anapahan'ny andriandahy sy ny lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin'ny tany.
17Ljubim tiste, ki mene ljubijo, in kateri me zgodaj iščejo, me najdejo.
17Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy.
18Bogastvo in čast sta pri meni, blago stanovitno in pravičnost.
18Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, Eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana.
19Boljši je sad moj nego zlato, prečisto zlato, in kar donašam, je boljše nego izbrano srebro.
19Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan'ny hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina.
20Po poti pravičnosti hodim, posredi stezá postavnosti,
20Amin'ny alehan'ny fahamarinana no izorako, Dia ao amin'ny lalan'ny fitsarana marina,
21da dam onim, ki me ljubijo, stalno blago v dediščino in napolnim njih zakladnice.
21Mba hampandovako harena izay tia ahy, Sy hamenoako ny firaketany.
22GOSPOD me je imel v začetku poti svoje, pred vsemi deli svojimi, od nekdaj.
22Jehovah nahary ahy ho fiandohan'ny alehany, Ho voalohany amin'ny asany hatramin'ny taloha.[Na: nahazo]
23Od vekomaj sem postavljena, od začetka, pred početkom zemlje.
23Izaho notendreny hatramin'ny fahagola, Eny, hatramin'ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany.
24Ko še ni bilo brezen nobenih, sem bila rojena, ko še ni bilo nobenih studencev, polnih vodá;
24Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be,
25ko se niso še bile pogreznile gore na zemljo, preden so bili griči, sem bila rojena;
25Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho,
26še ni bil ustvaril zemlje ali polja, ne začetka prahu vesoljne zemlje.
26Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan'ny vovo-tany ambonin'izao rehetra izao.
27Ko je pripravljal nebesa, bila sem tam, ko je odmerjal krog na brezna površju,
27Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny hababakaka tambonin'ny lalina Izy,
28ko je zgoraj utrjal nebesni oblok, ko so izbruhnili brezna studenci,
28Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon'ny lalina,
29ko je morju postavljal meje, da vode ne prestopijo njegovega ukaza, ko je stavil zemlji podlago:
29Raha nanisy faritra ho an'ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan'ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin'ny fanorenan'ny tany,
30tedaj sem bila pri njem kot delovodja in veselje njegovo vsak dan, igrala sem pred njim vsak čas,
30Dia mpità-marika teo anilany aho Sady ravoravo isan'andro isan'andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany;[Na: notezaina]
31igrala sem si na naseljeni zemlji njegovi, in veselje mi je bilo bivati pri otrocih človeških.
31Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak'olombelona.
32Zdaj torej, sinovi, poslušajte me; ker blagor njim, ki se držé potov mojih!
32Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako;
33Čujte pouk in bodite modri, in ne odklanjajte ga.
33Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà.
34Blagor človeku, ki me posluša, ki čuje pri vratih mojih vsak dan, ki pazi na podboje duri mojih!
34Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin'ny tolam-baravarako.
35Kajti kdor zadobi mene, zadobi življenje in prejme milost od GOSPODA.Kdor pa greši zoper mene, dela silo duši svoji; vsi, ki me sovražijo, ljubijo smrt.
35Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin'i Jehovah;Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin'ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.
36Kdor pa greši zoper mene, dela silo duši svoji; vsi, ki me sovražijo, ljubijo smrt.
36Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin'ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.