1Hör, visheten ropar, och förståndet höjer sin röst.
1[Ny fiantsoan'ny fahendrena, sy ny fahatsarany] Tsy miantso va ny fahendrena, Ary tsy manandra-peo va ny fahalalana?
2Uppe på höjderna står hon, vid vägen, där stigarna mötas.
2Eo an-tampon'ny fitoerana avo amoron-dalana Sy eo an-tsampanan-dalana no ijoroany.
3Invid portarna, vid ingången till staden där man träder in genom dörrarna, höjer hon sitt rop:
3Eo anilan'ny vavahady, amin'ny fidirana ho ao an-tanàna, Sy eo anaty vavahady no iantsoany maty hoe:
4Till eder, I man, vill jag ropa, och min röst skall utgå till människors barn.
4Hianareo no antsoiko, ry olona; Ary ny feoko ho amin'ny zanak'olombelona.
5Lären klokhet, I fåkunnige, och I dårar, lären förstånd.
5Fantaro ny fahendrena, ry kely saina; Ary fantaro ny fahalalana, ry adala.
6Hören, ty om höga ting vill jag tala, och mina läppar skola upplåta sig till att säga vad rätt är.
6Henoy, fa hilaza zava-tsoa aho; Ary ny hilaza ny mahitsy no isokafan'ny molotro.
7Ja, sanning skall min mun tala, en styggelse för mina läppar är ogudaktighet.
7Fa ny marina ihany no holazain'ny vavako; Ary ny ratsy dia fahavetavetana, raha amin'ny molotro.
8Rättfärdiga äro alla min muns ord; i dem finnes intet falskt eller vrångt.
8Marina ny teny rehetra aloaky ny vavako; Tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy.
9De äro alla sanna för den förståndige och rätta för dem som hava funnit kunskap.
9Miharihary avokoa izy, raha amin'ny mazava saina, Ary mahitsy, raha amin'ny efa nahazo fahalalana.
10Så tagen emot min tuktan hellre än silver, och kunskap hellre än utvalt guld.
10Aza ny volafotsy no raisina, fa ny anatro, Ary aleo ny fahalalana toy izay ny volamena voafantina.
11Ty visheten är bättre än pärlor; allt vad härligt som finnes går ej upp emot henne.
11Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy.[Na: perla]
12Jag, visheten, är förtrogen med klokheten, och jag råder över eftertänksam insikt.
12Izaho fahendrena dia miara-monina amin-tsaina, Ary hitan'ny fahalalako ny fisainana mazava.
13Att frukta HERREN är att hata det onda; ja, högfärd, högmod, en ond vandel och en ränkfull mun, det hatar jag.
13Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an'i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.
14Hos mig finnes råd och utväg; jag är förstånd, hos mig är makt.
14Ahy ny fisainana sy ny fanambinana; Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery;[Na: tena fahendrena]
15Genom mig regera konungarna och stadga furstarna vad rätt är.
15Izaho no anjakan'ny mpanjaka Sy andidian'ny mpanapaka araka ny rariny;
16Genom mig härska härskarna och hövdingarna, ja, alla domare på jorden.
16Izaho no anapahan'ny andriandahy sy ny lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin'ny tany.
17Jag älskar dem som älska mig, och de som söka mig, de finna mig.
17Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy.
18Rikedom och ära vinnas hos mig, ädla skatter och rättfärdighet.
18Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, Eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana.
19Min frukt är bättre än guld, ja, finaste guld och den vinning jag skänker bättre än utvalt silver.
19Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan'ny hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina.
20På rättfärdighetens väg går jag fram, mitt på det rättas stigar,
20Amin'ny alehan'ny fahamarinana no izorako, Dia ao amin'ny lalan'ny fitsarana marina,
21till att giva dem som älska mig en rik arvedel och till att fylla deras förrådshus.
21Mba hampandovako harena izay tia ahy, Sy hamenoako ny firaketany.
22HERREN skapade mig såsom sitt förstlingsverk, i urminnes tid, innan han gjorde något annat.
22Jehovah nahary ahy ho fiandohan'ny alehany, Ho voalohany amin'ny asany hatramin'ny taloha.[Na: nahazo]
23Från evighet är jag insatt, från begynnelsen, ända ifrån jordens urtidsdagar.
23Izaho notendreny hatramin'ny fahagola, Eny, hatramin'ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany.
24Innan djupen voro till, blev jag född, innan källor ännu funnos, fyllda med vatten
24Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be,
25Förrän bergens grund var lagd, förrän höjderna funnos, blev jag född,
25Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho,
26när han ännu icke hade skapat land och mark, ej ens det första av jordkretsens stoft.
26Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan'ny vovo-tany ambonin'izao rehetra izao.
27När han beredde himmelen, var jag tillstädes, när han spände ett valv över djupet,
27Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny hababakaka tambonin'ny lalina Izy,
28när han fäste skyarna i höjden, när djupets källor bröto fram med makt,
28Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon'ny lalina,
29när han satte för havet dess gräns, så att vattnet icke skulle överträda hans befallning, när han fastställde jordens grundvalar --
29Raha nanisy faritra ho an'ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan'ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin'ny fanorenan'ny tany,
30då fostrades jag såsom ett barn hos honom, då hade jag dag efter dag min lust och min lek inför hans ansikte beständigt;
30Dia mpità-marika teo anilany aho Sady ravoravo isan'andro isan'andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany;[Na: notezaina]
31jag hade min lek på hans jordkrets och min lust bland människors barn.
31Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak'olombelona.
32Så hören mig nu, I barn, ty saliga äro de som hålla mina vägar.
32Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako;
33Hören tuktan, så att I bliven visa, ja, låten henne icke fara.
33Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà.
34Säll är den människa som hör mig, så att hon vakar vid mina dörrar dag efter dag håller vakt vid dörrposterna i mina portar.
34Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin'ny tolam-baravarako.
35Ty den som finner mig, han finner livet och undfår nåd från HERREN.
35Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin'i Jehovah;Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin'ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.
36Men den som går miste om mig han skadar sig själv; alla de som hata mig, de älska döden.
36Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin'ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.