1Tacken HERREN, åkallen hans namn, gören hans gärningar kunniga bland folken.
1[Fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra noho ny asany mahagaga tamin'ny nitondrany ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta] Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ataovy fantatra any amin'ny firenena ny asany.
2Sjungen till hans ära, lovsägen honom, talen om alla hans under.
2Mihirà ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
3Berömmen eder av hans heliga namn; glädje sig av hjärtat de som söka HERREN.
3Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon'izay mitady an'i Jehovah.
4Frågen efter HERREN och hans makt, söken hans ansikte beständigt.
4Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny Katsaho mandrakariva ny tavany.
5Tänken på de underbara verk som han har gjort, på hans under och hans muns domar,
5Tsarovy ny asa mahagaga natao-ny Dia ny fahagagany sy ny fitsaran'ny vavany,
6I Abrahams, hans tjänares, säd, I Jakobs barn, hans utvalda.
6Ry taranak'i Abrahama mpanom-pony, Dia ianareo olom-boafidiny, taranak'i Jakoba.
7Han är HERREN, vår Gud; över hela jorden gå hans domar.
7Jehovah, Izy no Andriamanitsika; Manerana ny tany rehetra ny fitsarany.
8Han tänker evinnerligen på sitt förbund, intill tusen släkten på vad han har stadgat,
8Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy, Dia ilay teny izay voadidiny ho an'ny taranaka arivo mandimby,
9på det förbund han slöt med Abraham och på sin ed till Isak.
9Eny, ilay nataony tamin'i Abrahama, Sy ny fianianany tamin'Isaka;
10Han fastställde det för Jakob till en stadga, för Israel till ett evigt förbund;
10Izay naoriny ho lalana ho an'i Jakoba, Sy ho fanekena mandrakizay ho an'Isiraely,
11han sade: »Åt dig vill jag giva Kanaans land, det skall bliva eder arvedels lott.»
11Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana, Ho lovanareo voazara amin'ny famolaina,
12Då voro de ännu en liten hop, de voro ringa och främlingar därinne.
12Fony mbola olom-bitsy izy, Eny, vitsy sady vahiny tao,
13Och de vandrade åstad ifrån folk till folk, ifrån ett rike bort till ett annat.
13Ary nifindrafindra tany amin'ny firenena, Sy nifindrafindra fanjakana ho amin'ny firenen-kafa,
14Han tillstadde ingen att göra dem skada, han straffade konungar för deras skull:
14Tsy nisy navelany hampahory azy, Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe:
15»Kommen icke vid mina smorda, och gören ej mina profeter något ont.»
15Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko.
16Och när han bjöd hungersnöd komma över landet och fördärvade allt deras livsuppehälle,
16Dia niantso ny mosary ho amin'ny tany Izy; Notapahiny avokoa ny mofo rehetra, izay tohan'aina;
17då sände han åstad en man framför dem: Josef blev såld till träl.
17Naniraka lehilahy hialoha azy Izy; Josefa namidy ho andevo;
18Man slog hans fötter i bojor, i järn fick han ligga fjättrad,
18Nampijaliny tamin'ny fatorana ny tongony; Nogadrany vy izy.
19till den tid då hans ord uppfylldes, då HERRENS tal bevisade hans oskuld.
19Mandra-pahatongan'ny fotoana hahatanterahan'ny teniny; Nizaha toetra azy ny tenin'i Jehovah.
20Då sände konungen och lät släppa honom lös, folkens behärskare gav honom fri.
20Naniraka ny mpanjaka hamaha azy, Eny, ny mpanapaka ny vahoaka, mba handefa azy.
21Han satte honom till herre över sitt hus, till att råda över all hans egendom;
21Nanao azy ho tompon'ny tranony izy Sy ho mpanapaka ny fananany rehetra,
22han skulle binda hans furstar efter sin vilja och lära hans äldste vishet.
22Mba hamatotra ny mpanapaka araka ny sitrapony, Sy hampianatra fahendrena ny loholony.
23Och Israel kom till Egypten, Jakob blev en gäst i Hams land.
23Ary Isiraely nankany Egypta; Eny, Jakoba nivahiny tany amin'ny tanin'i Hama.
24Och HERREN gjorde sitt folk mycket fruktsamt och mäktigare än dess ovänner voro,
24Dia nahamaro ny taranaky ny olony ho be indrindra Izy ka nampahery azy noho ny fahavalony.
25de vilkas hjärtan han vände till att hata hans folk, till att lägga onda råd mot hans tjänare.
25Nampiova ny fon'ireny hankahala ny olony Izy Sy hihendry ny mpanompony.
26Han sände Mose, sin tjänare, och Aron, som han hade utvalt.
26Naniraka an'i Mosesy mpanompony Sy Arona izay nofidiny Izy.
27De gjorde hans tecken ibland dem och under i Hams land.
27Ary izy ireo nanao ny famantarany teo aminy Sy fahagagana tany amin'ny tanin'i Hama.
28Han sände mörker och lät allt bliva mörkt; och de stodo icke emot hans ord.
28Nahatonga aizina Izy ka nahamaizina; Ary tsy nandà ny teniny izy ireo.
29Han förvandlade deras vatten till blod och lät så deras fiskar dö.
29Nahatonga ny ranony ho rà Izy Ka nahafaty ny hazandranony.
30Deras land kom att vimla av paddor, ända in i deras konungars kamrar.
30Nisy sahona betsaka ny taniny, Eny, na dia hatrao an-trano fandrian'ny mpanjakany aza.
31Han bjöd, och flugsvärmar kommo, mygg i hela deras land.
31Niteny Izy, dia tonga ny lalitra betsaka Sy ny moka teny amin'ny faritaniny rehetra. [Na: fihitra, na kalalao]
32Han gav dem hagel för regn, eldslågor sände han i deras land.
32Nahatonga havandra ho solon'ny ranonorana Izy Sy afo midedadeda teny amin'ny taniny.
33Och han slog deras vinträd och fikonträd och bröt sönder träden i deras land.
33Namely ny voalobony sy ny aviaviny Izy Ka nanapatapaka ny hazo teo amin'ny taniny.
34Han bjöd, och gräshoppor kommo, och gräsmaskar i tallös mängd.
34Niteny Izy, dia tonga ny valala Sy ny sompanga tsy hita isa;
35De åto upp alla örter i deras land, de åto upp frukten på deras mark.
35Dia nihinana ny zava-maitso rehetra teny amin'ny taniny ireny Ka nandany ny vokatry ny taniny.
36Och han slog allt förstfött i deras land, förstlingen av all deras kraft.
36Ary namely ny lahimatoa rehetra tany amin'ny taniny Izy, Dia ny voalohan'ainy rehetra.
37Så förde han dem ut, med silver och guld, och i hans stammar var ingen som stapplade.
37Ary dia nitondra ny olony nivoaka Izy sady nampahazo azy volafotsy sy volamena; Ary tsy nisy nangozohozo na dia iray akory aza tamin'ny fireneny.
38Egyptierna gladde sig, när de drogo ut; ty förskräckelse för Israel hade fallit över dem.
38Faly Egypta tamin'ny nahalasanany; Fa efa nahazo azy ny fahatahorana ireo.
39Han bredde ut ett moln till skygd, och en eld för att lysa om natten.
39Namelatra rahona ho fialokalofana Izy Ary afo ho fanazavana nony alina.
40De begärde, då lät han vaktlar komma, och med bröd från himmelen mättade han dem.
40Nangataka izy ireo, dia nahatonga papelika Izy, Ary mofon-danitra no namokisany azy.
41Han öppnade klippan, och vatten flödade; det gick genom öknen såsom en ström.
41Nanokatra ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano Ka nandriaka tamin'ny tany maina ho renirano.
42Ty han tänkte på sitt heliga ord, på sin tjänare Abraham.
42Fa nahatsiaro ny teniny masina Sy Abrahama mpanompony Izy,
43Så förde han ut sitt folk med fröjd, med jubel dem som han hade utvalt.
43Dia nitondra ny olony nivoaka tamin'ny fifaliana Izy Ary ny voafidiny tamin'ny fihobiana;
44Han gav åt dem hedningarnas länder, och folkens förvärv fingo de till besittning,
44Ka dia nanome azy ny tanin'ny jentilisa Izy; Ary nandova ny vitan'ny firenena maro ireny,Mba hitandremany ny didiny, Sy hankatoavany ny lalàny. Haleloia.
45för att de skulle hålla hans stadgar och taga hans lagar i akt. Halleluja!
45Mba hitandremany ny didiny, Sy hankatoavany ny lalàny. Haleloia.