1Av David. HERREN är mitt ljus och min frälsning; för vem skulle jag frukta? HERREN är mitt livs värn; för vem skulle jag rädas?
1[Fahatokiana an'i Jehovah, Mpiaro sy Mpitahy ny olony] Nataon'i Davida Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an'ny aiko; iza no hangovitako?
2När de onda draga emot mig och vilja uppsluka mig, då stappla de själva och falla, mina motståndare och fiender.
2Raha manatona ahy hihinana ny nofoko ny ratsy fanahy, izay fahavaloko sy rafilahiko, dia izy ihany no tafintohina ka lavo.
3Om ock en här lägrar sig mot mig, så fruktar ändå icke mitt hjärta; om krig uppstår mot mig, så är jag dock trygg.
3Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho.
4Ett har jag begärt av HERREN, därefter traktar jag: att jag må få bo i HERRENS hus i alla mina livsdagar, för att skåda HERRENS ljuvlighet och betrakta hans tempel.
4Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan'i Jehovah sy mandinika ny tempoliny.
5Ty han döljer mig i sin hydda på olyckans dag, han beskärmar mig i sitt tjäll, han för mig upp på en klippa.
5Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin'ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin'ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy.
6Och nu skall mitt huvud resa sig över mina fiender runt omkring mig, och jag vill offra i hans hydda jublets offer, jag vill sjunga till HERRENS ära och lovsäga honom.
6Koa dia hisandratra ambonin'ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako, ka hanatitra fanatitra hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy hankalaza an'i Jehovah aho.
7Hör, o HERRE! Jag höjer min röst och ropar, var mig nådig och svara mig.
7Mihainoa, Jehovah ô, fa mitaraina mafy aho; ary mamindrà fo amiko, ka valio aho.
8Mitt hjärta förehåller dig ditt ord: »Söken mitt ansikte.» Ja, ditt ansikte, HERRE, söker jag;
8Raha hoy Hianao: tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny navalin'ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, Jehovah ô;
9fördölj icke ditt ansikte för mig. Driv icke bort din tjänare i vrede, du som har varit min hjälp; förskjut mig icke, övergiv mig icke, du min frälsnings Gud.
9Aza manafina ny tavanao amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy Hianao; aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy.
10Nej, om än min fader och min moder övergiva mig, skall HERREN upptaga mig.
10Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy. [Na: Fa na dia mahafoy ahy aza ny ray aman-dreniko, dia ho-raisin'i Jehovah aho]
11Visa mig, HERRE, din väg, och led mig på en jämn stig, för mina förföljares skull.
11Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ary tariho amin'ny lalana marina aho noho ny fahavaloko.
12Överlämna mig icke åt mina ovänners vilja; ty mot mig uppstå falska vittnen och män som andas våld.
12Aza manolotra ahy ho amin'ny sitrapon'ny mpampahory ahy; fa vavolombelona mandainga sy izay mifofofofo loza no mitsangana hiampanga ahy.
13Ja, jag tror förvisso att jag skall få se HERRENS goda i de levandes land.
13Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan'i Jehovah amin'ny tanin'ny velona.Miandrasa an'i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an'i Jehovah.
14Förbida HERREN, var frimodig och oförfärad i ditt hjärta; ja, förbida HERREN.
14Miandrasa an'i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an'i Jehovah.