Svenska 1917

Malagasy

Psalms

28

1Av David. Till dig, HERRE, ropar jag; min klippa, var icke stum mot mig. Ja, var icke tyst mot mig, så att jag bliver lik dem som fara ned i graven.
1[Fiantsoana an'Andriamanitra hanafaka ny olony sy hanameloka ny ratsy fanahy] Nataon'i Davida. Hianao no antsoiko, Jehovah ô, Ry vatolampiko ô, aza manentsin-tadiny amiko; fandrao, raha mangina amiko Hianao, dia ho tahaka izay midina any an-davaka aho.
2Hör mina böners ljud, när jag ropar till dig, när jag upplyfter mina händer mot det allraheligaste i din helgedom.
2Mihainoa ny feon'ny fifonako, raha mitaraina aminao aho, raha manandratra ny tanako ho amin'ny fitoeranao masina indrindra aho.
3Tag mig icke bort med de ogudaktiga och med ogärningsmännen, som tala vänligt med sin nästa men hava ondska i sina hjärtan.
3Aza atao indray manakipaka amin'ny ratsy fanahy sy ny mpanao meloka aho, fa ireny dia milaza fihavanana amin'ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony.
4Giv dem efter deras gärningar och efter deras onda väsende, giv dem efter deras händers verk, vedergäll dem vad de hava gjort.
4Manomeza azy araka ny asany sy ny faharatsian'ny ataony; eny, manomeza azy araka ny vitan'ny tànany, valio izy araka izay iendrehany.
5Ty de akta icke på HERRENS gärningar, icke på hans händer verk; därför skall han slå dem ned och ej mer bygga upp dem.
5Fa tsy mihevitra ny asan'i Jehovah, na ny vitan'ny tànany, izy, dia horavan'i Jehovah izy, fa tsy haoriny.
6Lovad vare HERREN, ty han har hört mina böners ljud!
6Isaorana anie Jehovah, fa efa nihaino ny feon'ny fifonako Izy.
7HERREN är min starkhet och min sköld; på honom förtröstade mitt hjärta. Och jag vart hulpen, därför fröjdar sig mitt hjärta, och med min sång vill jag tacka honom.
7Jehovah no heriko sy ampingako; izy no nitokian'ny foko, ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko, ka ny hirako no hiderako Azy.
8HERREN är sitt folks starkhet, och ett frälsningens värn är han för sin smorde.
8Jehovah no heriny, ary Izy no fiarovana mafy hamonjena ny voahosony.Vonjeo ny olonao, ary tahio ny lovanao; andraso izy, ka tezao mandrakizay.[Heb: ento]
9Fräls ditt folk och välsigna din arvedel, och var deras herde och bär dem till evig tid.
9Vonjeo ny olonao, ary tahio ny lovanao; andraso izy, ka tezao mandrakizay.[Heb: ento]